Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/e/e6bf4c16fde5a88f7a7975334ff982f6.xhtml failed

11/04/2005 Mpanoratra : RTN

Karazana "Processus" fitondrana asa informatika

Raha resaka Objet izay voalaza tery ampiandoany no jerena dia matetika UML no hampiasaina hamolavolana ireo fanirinan’ireo mampiasa ho lasa kisarisary. Ilaina anefa ny mametraka azy anivona Processus iray, ahitana ireo kojakoja tokony ampiasaina isaky ny digana tsirairay avy. Tsy dia hiditra lalina amin’ny fampidirana ny UML amin’ny processus isika, fa hanazava tsotsotra ny karazana Processus sy ny fiasany.

Azo tsinjaraina ho vondrona roa ny Processus, dia ny processus Iteratif sy Processus en Cascade. Ankehitriny dia ny Processus Iteratif no malaza.

1-/ Processus en Cascade

ity processus iray ty, dia ilay fampiasantsika matetika, izahy hoe hatao aloha ny analyse des besoins ny asa iray manontolo, dia avy eo ny conception ary ny codage sy tests ny farany. Ny olana mitranga matetika anefa dia ny conception vita milay ihany dia rehefa tena hatao ilay asa dia hita fa misy zavatra mila hovaina amin’ny conception, dia voatery miverina amin’ny voalohany , mandinika an’azy rehetra indray. Misy aza moa, tena nefa efa hitako mihintsy hoe orinasa iray, 6 volana no nanaovana ilay conception, dia avy eo nefa nisy devaluation tampoka tany dago tamin’izay sy nisy lalana maromaro niova dia nariana fotsiny ilay conception. Izany anefa tsy midika hoe ratsy io karazana processus io fa arakara ilay asa informatika hatao ihany.

2-/ Processus Iteratif

ity anakiray ity indray, dia anisany manomboka mahazo vahana ankehitriny, satria tsy ny asa iray manontolo ny tonga dia hatao conception, fa tsijaraina no lahanasa mahaleotena ilay asa, izany hoe : raha voatsinjara telo ohatra izany ilay asa informatika, dia miverina in-telo zany ilay analyse, conception,codage, tests.

dia isaky ny vita ny digana voalohany dia apetraka any amin’ny mpanjifa iray sombiny voalohany, dia araka ny fahitan’ny ndry zareo ilay fitaovana sy izany fanovana ary izay tohiny indray no hanohizana ny digana faharoa.

Anisan’ny processus Iteratif malaza zao dia ny processus agiles sy RUP (Rational Unified Process)

- Processus agiles dia manaraka ny fitsipika hatao hoe Manifesto of Agile Software Developpement , hitanao amin’ity rohy ity ny momba azy http://agilemanifesto.org/. anisan’izany ny XP (eXtreme Programming) izay hitako izaho manokafana fa tena fomba fiasa tsara, ary ny amerikana moa amin’izao no tena mampiasa azy io. izay hitanareo ato http://www.extremeprogramming.org/

- RUP : mila olona efa manana traikefa RUP ny fampiasana azy, satria miovaova arakaraka ny asa hatao ny fampiharana azy. Misy dingana efatra ao anatiny dia : inception, elaboration,construction, transition.Ity ny rohy ofisialy momba azy http://www.rational.com/rup

Tsy mora anefa ny mifidy processus hoan’ny asa informatika iray fa mila manadrana mitsy sy mila hevitra ny efa nampiasa azy.

Raha mahita karazana processus hafa ianareo ohatra ny Scrum na FDD ohatra dia mba tantarao eto hifampizarana.


Lahatsoratra Process UML

 

karazanaprocessusfitondranaasainformatika.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43