Ity sary ity mampiseho ireo karazana touches misy amin’ny clavier etendu iray, ny matetika fahita indrindra ankehitriny:
Ny fampiasana ireo karazana touches tsirairay ireo dia mety miovaova arakaraka ny OS na ny rindrankajyampiasaina. Indraindray misy touches hafa ho an’ny OS sasany.
Touches alphanumeriques
Ireo touches ireo no mitovy amin’ny milina fanoratana hatramin’ny ela. Araka ny anarany dia ahafahana manoratra litera sy marika, ireo mari-piatoana, asamarika ary litera manokana. Namany ihany koa ny barre d’espace, dia ilay tsivalan-touche eo amin’ny farany ambany iny.
Touches de combinaison
Ny touches de combinaison dia ampiasaina miaraka amina touches hafa mba hahazoana fanovany amin’ny asany. Ohatra an’izao ny fampiasana azy:
- Tsindriana ny touche de combinaison, ary tazonina fa tsy avotsotra
- izay vao tsindriana ny touche ampiasaina miaraka aminy
Ireto avy izy ireo:
Ctrl na Control: touche fampiasa matetika fanaovana raccourci, izany hoe fampikambanana touches mampanao asa voafaritra an’ilay solosaina. Ohatra ny Ctrl+C mandika (Copie), Ctrl+X manapaka (Coupe), Ctrl+V mametaka (Colle). Indraindray ny fanoratana azy dia atao ^C, ^X, ^V
Alt na Alternate: mbola touche de combinaison iray koa, ohatrohatra ny Ctrl ihany. Ny matetika fampiasa azy dia handefasana ireo komandy mifandray amina soratra misy litera voatsipika (menus, boite de dialogue, sns). Ohatra Alt+F manokatra ny menu fichier.
Fn : matetika fahita amin’ny solosaina finday, ka mampitombo ny asan’ny clavier izay vitsivitsy ny touches-ny. Matetika hafa loko izy, ka izay soratra mitovy loko aminy eny ambony touche no mifandray amin’ny asany Fn+iny touche iny.
Touches de deplacement sy touches de direction
Home na
Debut: tondro misompirana miakatra miankavia. Manakisaka ny
korisa ho eny amin’ny fiandohan’ny andalana rehefa manoratra.
End na
Fin: Manakisaka ny
korisa ho eny amin’ny faran’ny andalana rehefa manoratra.
touches de direction: tondro efatra miakatra, midina, miankavia ary miankavanana. Ahafahana manakisakisaka ny
korisa mankany amin’ny fitodiky ny tondro. Fampiasa betsaka koa ireo rehefa manao pacman ;)
Touches de fonction
Ny touches de fonction dia ireo touches F1, F2, ... F12. Maro isan-karazany ny mety ho asany, fa ireto misy fampiasana azy matetika amin’ny rindrankajy maromaro: F1 Help, F3 Mitady (Rechercher), F5 Refresh na Actualiser, sns. Azo ampiasaina miaraka amin’ireo touches de combinaison koa izy.
Pave numerique
Ny Pave numerique dia faritra iray natokana ho an’ireo tarehimarika sy ny momba azy hanamorana ny fanoratana azy ireo, na dia efa misy azy aza amin’ireo touches alphanumeriques. Rehefa tsy mandeha ny Verrou numerique dia lasa touches de deplacement sy direction sns no asany.
Touches hafa
Num lock na Verrou numerique: Ilaina mandeha izy vao miasa ny pave numerique. Misy jiro kely mifanaraka aminy tokony hirehitra (matetika misy “1”)
Caps lock na Verrou majuscule: Mba tsy hitazonana ny tanana miraikitra eo ambonin’ny Shift rehefa manoratra sora-baventy lava be. Misy jiro kely koa mifanaraka aminy
Entree: fandefasana ny baiko voasoratra hamboarin’ny solosaina, fampidinana andalana rehefa manoratra
Echap: fanafoanana baiko saika hatao
Tabulation: fikisakisahana anaty fafana (tableau), fanakisahana ny korisa amina elanelana lavidavitra, famindrana selection anaty boite de dialogue, sns
Insert: rehefa manoratra, fampifamadihana ny fanoratra Insert (manisika) sy Rewrite (fafany daholo izay lalovan’ny korisa)
Backspace: mamafa miankavia
Del na Suppr: mamafa miankavanana
Windows: ilay touche misy
fangon'i Windows. Mamoaka ny
Menu Demarrer amin’ny
OSWindows. Voasolon’ny
Ctrl+Echap io asany io. Azo atao touches de combinaison koa izy handefasana rindrankajy windows. Ohatra:
Win+E Explorateur windows (fitantanana fichiers),
Win+F mitady fichier sns,
Win+R mangataka baiko halefa
App key: ilay touche misy sary menu eo akaikin’ny touche windows ankavanana. Mitovy asa amin’ny bokotra havanan’ny
totozy, izany hoe mamoaka menu contextuel. Voasolon’ny
Shift+F10 izy indraindray.
Print Scr na
Impr ecran: Ahafahana manao
Screenshot na
capture d’ecran
Scroll lock na Arret defil
Pause