Hahitana ireo kirakira samihafa manampy eo amin’ny fanamboarana sy fandrindrana lamin’asa. Kirakira maimaim-poana ny ankabeazany.
NAnt -
http://nant.sourceforge.net/ : Manampy eo amin’ny fanaovana compilation. Manamora ny asa indrindra rehefa lehibe sy goavana ny tetik’asa.
( Dika mitovy asa amin’ny Ant ho an’ireo izay manao Java) . Misy frontend ihany koa azo ampiasaina :
NAntGui
NUnit -
http://www.nunit.org/ : Iray amin’ireo kirakira fanaovana test unitaire. Mampirindra ny asa indrindra raha manaraka ny fomba TDD (
Test Driven Development) ao anaty filozofian’ny
Extreme Programming. Mba hanamora ny fampiasana azy ao miaraka amin’ny Visual Studio (Add-In) dia afaka mampiasa ny
TestDriven.Net. Misy ihany koa ny
MbUnit raha te hanandrana hafa. Manampy an’io NUnit io ihany dia misy ny
NUnitPartner hahafahana manao generation automatique ireo test ho an’ny classe tsirairay avy.
NMock -
http://www.nmock.org/ : Fampiasa amin’ny test unitaire ihany. Ny Mock dia natao hanoloana ireo objet tsy ilaina ( na mahabe asa ny mamboatra azy) amin’ny test atao. Afaka tonga dia manome valiny araka izay ilaina avy hatrany ny Mock Object.
NDoc -
http://ndoc.sourceforge.net/ : Fanamboarana (generation) documentation automatique . Mitsipona ireo marika
XML hita amin’ireo code source izay avoakan’ny compilateur ary mamadika izany hoe format mora vakiana sy mirindra.
CruiseControl.Net -
Rohy misy azy : Kirakira manamora ny fanarahana ireo fiovana natao indrindra ho an’ny ekipa maromaro miara-miasa na koa atao hoe Integration Continue tetik’ady ao anatin’ny
Extreme Programming ihany koa. Azo ampiasaina ihany koa ny
Draco.NET.
Tree Surgeon :
Rohy misy azy : Mamorona rafitra mirindra afaka tonga dia ampiasaina ho an’ireo rakitra amin’ny lamin’asa (Tree Development Structure)
JetBrain ReShaper :
http://www.jetbrains.com/resharper/ : Tsy hay no tsy hilaza ity kirakira fanaovana
Refactoring ity izay anisan’ny add-in tena manampy be tokoa eny fa na dia tsy maimaim-poana azy.
(Ireo izay efa nampiasa Intellij IDEA - http://www.jetbrains.com/idea/ dia mahita ny tanjaky ny refactoring ao anatiny, dia mitovy amin’izany io Resharper io izay add-in ho an’ny Visual Studio, mitovy raha teo moa ny mpamokatra azy). Amin’ny VS 2005 dia efa misy refactoring miaraka aminy ao fa toa mbola tsy lavitra noho io ReSharper io.
Version Control System : Afaka mampiasa
cvs na
svn (subversion) . Ny SourceSafe moa no malaza raha outil commercial sady Microsoft ihany no tompony.
MonoDevelop -
http://www.monodevelop.com/ : IDE(EDI) fanamboarana projet ho an’ny framework
Mono (framework .Net natao handeha amin’ny plateforme maro Windows, Linux,...).
DPack -
http://www.usysware.com/dpack/ : Manafaingana ny fomba fiasa indrindra ho an’ireo zavatra miverimberina matetika. Manisy bookmark, mitady code, classe, sy ny sisa . ++++
CopySourceAsHtml -
Rohy misy azy : Mandika sy mamadika ny code source ho
HTML miloko azo apetraka amin’ny takelaka web.
SpellChecker VS .NET 2003 -
Rohy misy azy : Hitsarana ny tsipelina amin’ireo commentaires ao anaty code.
Nini -
http://nini.sourceforge.net/ : Manamora ny fitolomana fichier de configuration na fichier INI io na
XML na base de registre. Alohan’ny hidirana amin’ny Configuration Block dia azo ampiasaina io sady maivamaivana no haingana.
Reflector -
http://www.aisto.com/roeder/dotnet/ : Decompilateur ho an’ireo Assembly tsy hananana ny code source. Miasa matetika ihany izy ity. Azo atao ny mampiaraka azy amin’ny Visual Studio amin’ity
add-in ity.
-
-
-
-
FREEWEBDOT.com : hébergement gratuit 3Go, 50 Go ny bandwidth fa mila manao enregistrement domaine fotsiny, eo ho eo amin’ny 8$ par an eo .
Tsy mamely intsony ity freewebdot ity fa efa lasa mandoa vola, moa ny vidin’ny domaine ao lasa lafo be ihany koa . — fraz 2007/05/10 09:50
Category .Net