Rehefa miasa amin’ny andalam-baiko na manokatra terminal (na console) dia mahazo command prompt ohatrohatra an’izao:
mpampiasa@milina $ na root@milina #
Miandry baiko izy amin’io, dia hojerentsika ny fomba fampiasana azy amin’ny ankapobeny.
Ny baiko fampiasa amin’ireo karazana Unix, isan’izany ny Linux, dia saika mitovitovy daholo, antsipiriany madinika no mety mahasamihafa azy. Io no mampalaza ny Unix/Linux hoe sarotra, nefa noho ny tsy fahafantarana azy fotsiny. Mety ho tsara amin’ny gasy manko hono itony rindrankajy maimaimpoana itony.
Ny baiko alefa dia raisin’ny mpandika baiko, matetika antsoina hoe shell, izay sosona rindrankajy eo ambonin’ny kernel, mandefa azy hotanterahan’ny kernel. Ahafahana manao komandy sophistique ireo mpandika baiko, ary tena langage fanaovana programa mihitsy aza, ilay atao hoe shellscript. Misy maromaro izy fa ireto no tena fampiasa:
Hozaraintsika anaty kilasy vitsivitsy ireo komandy fampiasa ireo, mety misy mifampiditra anefa, fa tsara raha tsidihana kely daholo.
Ny baiko unix dia afaka arahana options ahafahana manovaova ny antsipirian’ny asany. Afaka soratana amin’ny fomba anankiroa ny options:
Azo ampiarahana ireo fomba fanoratra ireo, ohatra: baiko -xy –option1
Tsy ary ho hay daholo ny karazana baiko rehetra miaraka amin’ny options-ny rehetra. Raha mila fanampiana amin’ny fampiasana baiko iray dia misy fomba anankiroa matetika azo atao:
$ man baiko