Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/3/3fbd973a300d7a12ed436badbc9a0028.xhtml failed

Andalam-baiko

Rehefa miasa amin’ny andalam-baiko na manokatra terminal (na console) dia mahazo command prompt ohatrohatra an’izao:

mpampiasa@milina $ 
na 
root@milina #  

Miandry baiko izy amin’io, dia hojerentsika ny fomba fampiasana azy amin’ny ankapobeny.

Ny baiko fampiasa amin’ireo karazana Unix, isan’izany ny Linux, dia saika mitovitovy daholo, antsipiriany madinika no mety mahasamihafa azy. Io no mampalaza ny Unix/Linux hoe sarotra, nefa noho ny tsy fahafantarana azy fotsiny. Mety ho tsara amin’ny gasy manko hono itony rindrankajy maimaimpoana itony.

Mpandika baiko

Ny baiko alefa dia raisin’ny mpandika baiko, matetika antsoina hoe shell, izay sosona rindrankajy eo ambonin’ny kernel, mandefa azy hotanterahan’ny kernel. Ahafahana manao komandy sophistique ireo mpandika baiko, ary tena langage fanaovana programa mihitsy aza, ilay atao hoe shellscript. Misy maromaro izy fa ireto no tena fampiasa:

  • sh (bourne shell): shell unix standard
  • ksh (korn shell)
  • csh (c-shell): shell mitovy syntaxe amin’ny langage C
  • tcsh (turbo c-shell): csh nohatsaraina
  • bash (bourne again shell): sh nohatsaraina, tena fampiasa amin’ny linux

Ireo baiko matetika fampiasa

Hozaraintsika anaty kilasy vitsivitsy ireo komandy fampiasa ireo, mety misy mifampiditra anefa, fa tsara raha tsidihana kely daholo.

Options

Ny baiko unix dia afaka arahana options ahafahana manovaova ny antsipirian’ny asany. Afaka soratana amin’ny fomba anankiroa ny options:

  • baiko -x , ny x dia litera iray aoriana tsipipanohizana. Afaka akambana ireo options ireo, ohatra: baiko -xyz
  • baiko –option, ilay option dia ny anarana manontolon’ilay option soratana aoriana tsipipanohizana roa mifanesy. Raha misy maromaro dia soratana hoe: baiko –option1 –option2

Azo ampiarahana ireo fomba fanoratra ireo, ohatra: baiko -xy –option1

Fahazoana fanampiana

Tsy ary ho hay daholo ny karazana baiko rehetra miaraka amin’ny options-ny rehetra. Raha mila fanampiana amin’ny fampiasana baiko iray dia misy fomba anankiroa matetika azo atao:

  • Soratana miaraka amin’ny option –help ilay baiko
  • Jerena ny pejy misy ny manual. Ny baiko ampiasaina dia:
 $ man baiko

Jereo koa

 

komandyunix.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43