Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/f/fb821fe3e1f9b2383a6d9e4da7315d8f.xhtml failed

Fametrahana rindrankajy

Samy manana ny fomba fitantanany rindrankajy ny Systeme tsirairay. Ho an’ny Linux izao dia misy karazany roa:

  • Fametrahana binaire

Ny binaire amin’ny linux dia zaraina amin’ny endrika fonosana. Arakaraka ny Distribution ny karazan’ilay fonosana. Rehefa maka binaire dia tsy maintsy jerena tsara hoe inona no processeur sy ny OS ampiasainao. Tokony hifanaraka amin’izay nanaovana compil azy tsinona ny zavatra ihodinany.
Ho an’ny fametrahana azy:

  • fonosana RPM: Jereo ny baiko RPM
  • fonosana DEB: Jereo ny baiko dpkg

Ny rindrankajy mandeha amin’ny linux matetika dia mifampiankinankina be daholo, ary tsy maintsy feno ny rindrankajy ilainy rehetra vao afaka mipetraka ny rindrankajy iray. Izay no tena mandreraka indrindra amin’ny fampiasana an’io systeme io. Amin’izao anefa dia misy fitaovana afaka miandraikitra an’izany miaraka amin’ny distributions dia ny YUM, APT

  • Fametrahana source

Ireo rindrankajy OpenSource dia matetika zaraina amin’ny endrika archives voafatratra. Misy fichier foana ao anatin’iny archive iny manazava izay tokony hatao rehefa mametraka azy. Na izany aza misy efa routine matetika fampiasa, ka ity aseho eto ity:

- Avoraka ilay archive: Misy fitaovana an-tsary afaka manao an’izay, toy ny ark ohatra. Fa raha amin’ny andalam-baiko dia ohatra an’izao:
ho an’ny archive *.tar.gz :

 $ tar -zxvf archive.tar.gz

na ho an’ny archive *.tar.bz2 :

 $ tar -jxvf archive.tar.bz2

- Omanina ny Kompil:

 $ ./configure

Mety misy options io, tsara aloha ny manao ./configure –help

- Kompil

 $ make

- Fametrahana: tsy maintsy root vao afaka manao azy

 $ su
Password: 
  - make install

- Fanesorana azy:

 # make uninstall
  - make clean
 

komandyunixinst.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43