Ny OS Unix saika multi-tache daholo, izany hoe afaka mandefa programa maro indray miaraka. Ireny programa mihodina ireny no atao hoe processus. Samy manana ny anarany izy, ary samy manana laharana ahafantarana azy antsoina hoe PID. Iray amin’izy ireny ihany no afaka ahazoanao tanana, izay eo amin’ny foreground, fa ny hafa dia any amin’ny background.
Ireto ireo komandy fitantanana processus fampiasa:
$ ps # manome lisitry ny processus $ ps -ef | grep ikoto # manome ireo processus alefan'ny mpampiasa ikoto $ ps ux # manome ireo processus alefan'ny mpampiasa mandefa # ilay baiko, miaraka amin'ny fampiasany CPU sy Memoire $ man ps # manome ny manuel-n'ny baiko ps
(Mba asio ohatra dia mba ampio izay tsy ampy)