- Amin’ny Unix ny repertoires (directory amin’ny teny anglisy) rehetra dia miainga avy amin’ny repertoire fototra izay soratana hoe “/“.
- Tsipika misompirana miankavia (“slash”) no fanasarahana ny anaran’ireo repertoires mifampiditra: /Rep/RepZanany/RepZafiny
- Misy marika vitsivitsy hanondroana Repertoires manokana:
. (teboka): repertoire misy anao amin’izao
.. (teboka roa): repertoire iray ambony
~ (tilde): repertoire manokana an’ny mpampiasa (dossier personnel)
pwd : manome ny repertoire misy anao, izany hoe ilay repertoire ./
cd : mitsofoka na mivoaka anaty repertoire.
mkdir : (make directory) manamboatra repertoire vaovao
rmdir : (remove directory) mamafa repertoire foana. Tsy mandeha io raha mbola misy zavatra ao anatin’ilay repertoire hofafana
mv : (move) mamindra toerana na manova anarana