Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/b/b76428d9af587447f78dafe4189be545.xhtml failed

Lalana (chemin)

- Amin’ny Unix ny repertoires (directory amin’ny teny anglisy) rehetra dia miainga avy amin’ny repertoire fototra izay soratana hoe “/“.
- Tsipika misompirana miankavia (“slash”) no fanasarahana ny anaran’ireo repertoires mifampiditra: /Rep/RepZanany/RepZafiny
- Misy marika vitsivitsy hanondroana Repertoires manokana:

  • . (teboka): repertoire misy anao amin’izao
  • .. (teboka roa): repertoire iray ambony
  • ~ (tilde): repertoire manokana an’ny mpampiasa (dossier personnel)

Ireo komandy Unix fitantanana Repertoire

  • pwd : manome ny repertoire misy anao, izany hoe ilay repertoire ./
  • cd : mitsofoka na mivoaka anaty repertoire.
  • mkdir : (make directory) manamboatra repertoire vaovao
  • rmdir : (remove directory) mamafa repertoire foana. Tsy mandeha io raha mbola misy zavatra ao anatin’ilay repertoire hofafana
  • mv : (move) mamindra toerana na manova anarana
 

komandyunixrep.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43