====== Linspire ====== Ny **linspire** dia [[distributions|distribution]] linux iray izay mihambo ho mora ampiasaina indrindra, ka afaka ampiasain'ny rehetra na tsy mahalala zavatra firy momba ny [[Unix]] / [[linux]] aza. **Lindows** no anarana nentiny taloha, fa noho ny disadisa tamin'i [[Microsoft]] izay tompon'ny marika Windows, dia voatery novaina ho **Linspire**. Michael Robertson no namorona azy, ary nalaina avy tamin'ny [[Debian]]. Araka izany dia afaka mampiasa an'ireo fonosana [[dpkg|deb]] ho an'ny debian izy, ary afaka mampiasa [[APT]] miaraka amin'ireo repository debian. Ny fonosana ho an'ny Debian Sarge (stable) moa no afaka miaraka amin'ny Linspire 5.0, ny kinovany farany amin'izao fotoana izao. Ny tena mampiavaka ny Linspire dia ilay teknolojia antsoin-dry zareo hoe **CNR** (//Click 'N Run//). Io dia fomba iray tsotra izay ahafahana mametraka rindrankajy avy amin'ny aterineto, alaina avy any amin'ny server-ndry zareo any. Toy ny ankabeazan'ireo distributions vidiam-bola moa, dia miaraka amin'ny tohana ara-teknika ho an'ireo rindrankajy "//proprietary//" izany hoe tsy [[OpenSource]]. Ireto no matetika tafiditra ao anatin'izany: * **Crossover Office**: ahafahana mandefa rindrankajy vitsivitsy natao ho an'i [[Windows]] * **Drivers**: indrindra ireo driver Nvidia sy ATI (karatra grafika), na driver-na imprimantes, sns ... * **Codecs**: wma, wmv, asx, divx, ... * Ireo rindrankajy hafa toy ny **Java**, **Flash player**, ... Ny **Linspire** dia distribution vidiam-bola. Vidiam-bola koa ny fahafahana mampiasa ny //Warehouse// misy an'ireo rindrankajy azo apetraka amin'ny alalan'ny CNR. Fa ny zava-baovao dia ny nivoahan'ny distribution iray avy amin'ny Linspire (compatible tanteraka amin'ny Linspire), fa tsy mirakitra afa-tsy ireo fitaovana opensource, ka azo alaina maimaimpoana, dia ny **Freespire**. === Rohy samihafa === * Pejin'ny Linspire: [[http://www.linspire.com/]] * Pejin'ny Freespire: [[http://www.freespire.org/]] * Tuto Video Linspire (format flash): [[http://media.linspire.com/howto/kiosk.swf]]