Linux dia OS noforon’i Linus Tovarlds tamin’ny taona 1991. Ny Kernel no tena antsoina hoe Linux, ary ao anatin’ny fianakaviamben’ny Unix izy.
Raha ny Kernel dia tsy afaka mandeha irery indrindra ho an’ny olona hampiasa azy fa tsy maintsy mila kirakira isan-karazany hahafahana mampiasa tsara ny Solosaina. Ny tetikasa GNU moa no tena manolotra ireo kirakira miaraka amin’ny Kernel linux, ka GNU/Linux no tokony hiantsoana ny OS manontolo.
Nisy olona/fikambanana samihafa moa nanambatra kernel sy kirakira maro araka ny safidiny avy, ary samy nanana ny fomba nandaminany azy ireny, ka izany no nahatonga ireo karazana Distributions maro be misy amin’izao. Misy karazany maro araka ny ilana azy araka izany ny distributions linux amin’izao. Ny vala faroratra http://distrowatch.com/ ohatra ahitana ireo santionany isan’ny malaza.
Amin’ny ankapobeny dia maimaimpoana ny GNU/Linux, ary open source. Mety ho afaka mihodina amina karazana milina maro izy, indrindra ireo x86 (PC) sy PowerPC (Mac).
Araka izany dia ny distribution no OS feno afaka ampiasaina.
Fahazoana azy: misy vidina, misy maimaimpoana izy ireny. Ny mety hahazoana azy dia - na mividy CD (any amin’ny editeur na amina revues) - na manao
Download images CD @ internet ary mi-graver azy amina CD avy eo - na mindrana CD amin’ny namana handikana
Fametrahana azy: matetika dia
bootable ny kapila misy azy. Apetraka ao anatin’ny
lecteur ilay kapila, dia velomina miaraka amin’iny ilay milina. Avy eo arahina ny installer izay mandeha eo. Samy manana ny
installer-ny avy ny distribution tsirairay. Fa alohan’izay dia mila amboarina ny
partitions hasiana azy.
Fampiasana andalam-baiko (
lignes de commandes): Ireo
komandy UNIX ihany no mandeha aminy. Misy karazana mpandika baiko (
interpreteur de commandes) azo isafidianana izy: bash, sh, tcsh, ...
Fampiasana an-tsary (
mode graphique): XWindow no mitantana ny
fenetres, ary misy karazana birao azo isafidianana (izay antsoina matetika hoe
window manager): KDE, GNOME, XFCE, Fluxbox, ... manome ny
GUI
Fanaovana config: andalam-baiko na fichiers kirakiraina. Misy ny distribution manome fitaovana config an-tsary toy ny: yast, webmin, fitaovana Redhat, drakconf, ...
Fametrahana rindrankajy: misy fomba telo amin’ny ankapobeny:
-
fitantanana fonosana miaraka amin’ny
dependances:
YUM,
APT, urpmi
fametrahana avy @ source