Ny MacOSX (”X” dia “folo” amin’ny isa romana) dia OS mihodina amin’ny milina Macintosh, vokarin’ny orinasa Apple. Vokatry ny fampiarahana ny teknolojia MacOS sy NeXTstep no nipoirany, taorian’ny niverenan’ny mpamorona azy tao amin’ny Apple sy ny nividianany ny orinasa NeXT.
Mitondra anarana saka dia ireo karazana versions misy: 10.1 cheetah, 10.2 jaguar, 10.3 Panther, 10.4 tiger, ary 10.5 Leopard no ho avy. Ny fahamoran’ny fampiasana azy no tena mampiavaka ny MacOSX, fa eo koa ny hatsaran-tarehiny. Hatramin’izao aloha misy sous-systeme MacOS 9.2 miaraka aminy mba hahafahana mandefa ireo saofitra ho an’ny mac taloha.
Ny macos hatramin’izay dia nanana interface na GUI mora ampiasaina, satria natao ho an’ny olona tsy voatery mahay informatika. Hampiasain’ny daholobe amin’ny filany azy andavanandro izany no nanaovana azy. Hatramin’izao moa izy mbola tsara tarehy, ka ohatra ny lasa haitraitra ny fananana azy.
Hatramin’izay koa dia ny mac ihany no nanana motera grafika natanjaka, dia ny Quickdraw. Toa i Adobe ihany no nipoiran’io motera io, hany ka miaraka tsara amin’ny rindrankajin’i Adobe izy, izay miompana indrindra amin’ny fikirakirana sary. Mbola nihatsara koa io rehefa nosoloin’ny Quartz. Noho izany dia tian’ny maty hanina amin’io taranja io ny mac. Efa mifampitaha amin’ny solosaina pc-windows moa izy amin’izao.
Araka izany dia natao ho milina eny an-tanan’ny olona ny mac, ka tsy nampiasaina ho serveur. Toa ny hanamboarana serveur mac no nampiasana kernel unix taminy, ka nisehoan’ny MacOsX Server zokin’ny MacOsX rehetra.
Efa tsy manahirana aloha izany ny fampiasana ny GUI. Mila fahazarana azy fotsiny. Ireto zavatra ireto no mety hahasamihafa kely azy amin’ny Windows na OS hafa:
sns ...
Ireo API Carbon sy Cocoa no tena mitantana ny rindrankajy mandeha amin’ny MacOsX, ary tsy itovizany amin’ny MacOs taloha koa. Noho izany dia rindrankajy namboarina manokana ho azy mihitsy vao mety (Mbola misy sous-systeme MacOs 9.2 anefa ao anatiny ahafahana mandefa ireo rindrankajy taloha). Ireo rindrankajy Java kosa tonga dia mandeha aminy noho ilay milina Java efa miaraka aminy.
Ireo rindrankajy mandeha amin’ny unix rehetra koa dia afaka mandeha aminy (ireo rindrankajy fahita amin’ny linux ohatra). Unix izy tsinona ary misy API itovizany amin’ny unix sasany. Misy rindrankajy atao hoe X11 mila apetraka anefa mba hahafahana mandefa ireo izay mampiasa fenetres; tsy mipetraka par defaut io fa efa ao anatin’ny cd MacOsX ihany.
Tsara ho fantatra anefa fa:
Noho izany dia mila averina atao kompil ireo rindrankajy unix hapetraka aminy. Indraindray anefa misy fomba ahafahana mametraka azy mivantana avy amin’ny internet, efa vita kompil ho an’ny MacOsX.
Efa nivoaka ny MacOsX mandeha amin’ny processeur Intel x86, ka ny 10.4 Tiger no nisantarana azy.
Fanaovana Dev amin'ny Mac
Angatahana mba hanampy FametrahanaMacOSX izay efa nametraka e)