====== MacOS X ====== Ny **MacOSX** ("X" dia "folo" amin'ny isa romana) dia OS mihodina amin'ny milina **Macintosh**, vokarin'ny orinasa Apple. Vokatry ny fampiarahana ny teknolojia MacOS sy NeXTstep no nipoirany, taorian'ny niverenan'ny mpamorona azy tao amin'ny **Apple** sy ny nividianany ny orinasa **NeXT**. * Mampiasa kernel antsoina hoe "mach" izy, izay mitondra sous-systeme antsoina hoe **Darwin**, anatin'ny fianakavian'ny **BSD**. Io ilay hoe **"Powered by Unix"**. * Eo ambonin'io kernel io no misy motera grafika atao hoe **Quartz**. Avy tany amin'ny orinasa pixar no niavian'ny quartz, ary mitantana ireo fenetres sy fampisehoana sary amin'ny ecran no asany. Izy no misolo ny QuickDraw, ary mitondra zavabaovao maro toy ny fitantanana fangaraharana (transparence), sns. Ny **QuickDraw, Quicktime, OpenGl**, dia miasa ohatra ny plugin-n'ny Quartz. * Ankoatra izay dia misy ireo API **Cocoa** sy **Carbon**, ary koa ny milina virtoaly **Java**. Ireo no miandraikitra ny rindrankajy mandeha amin'ny MacOS. * Ary farany dia ny interface **Aqua**. Io nohitan'ny maso rehefa mampiasa MacOsX, izay tena voakaly ny design ka maha tsara tarehy azy. Mbola tsy very ao koa ilay maha mora ampiasaina ny MacOsX. Mitondra anarana **saka dia** ireo karazana versions misy: **10.1 cheetah, 10.2 jaguar, 10.3 Panther, 10.4 tiger,** ary **10.5 Leopard** no ho avy. Ny fahamoran'ny fampiasana azy no tena mampiavaka ny MacOSX, fa eo koa ny hatsaran-tarehiny. Hatramin'izao aloha misy sous-systeme MacOS 9.2 miaraka aminy mba hahafahana mandefa ireo saofitra ho an'ny mac taloha. ===== Ny mampiavaka azy ===== Ny macos hatramin'izay dia nanana interface na [[GUI]] mora ampiasaina, satria natao ho an'ny olona tsy voatery mahay informatika. Hampiasain'ny daholobe amin'ny filany azy andavanandro izany no nanaovana azy. Hatramin'izao moa izy mbola tsara tarehy, ka ohatra ny lasa haitraitra ny fananana azy. Hatramin'izay koa dia ny mac ihany no nanana motera grafika natanjaka, dia ny Quickdraw. Toa i Adobe ihany no nipoiran'io motera io, hany ka miaraka tsara amin'ny rindrankajin'i Adobe izy, izay miompana indrindra amin'ny fikirakirana sary. Mbola nihatsara koa io rehefa nosoloin'ny Quartz. Noho izany dia tian'ny maty hanina amin'io taranja io ny mac. Efa mifampitaha amin'ny solosaina pc-windows moa izy amin'izao. Araka izany dia natao ho milina eny an-tanan'ny olona ny mac, ka tsy nampiasaina ho serveur. Toa ny hanamboarana serveur mac no nampiasana kernel [[UNIX|unix]] taminy, ka nisehoan'ny **MacOsX Server** zokin'ny MacOsX rehetra. ===== Ny fampiasana azy ===== Efa tsy manahirana aloha izany ny fampiasana ny GUI. Mila fahazarana azy fotsiny. Ireto zavatra ireto no mety hahasamihafa kely azy amin'ny [[Windows]] na OS hafa: * **Finder** no anaran'ny Explorateur-ny. Tsy maintsy mandeha foana ny Finder.\\ * Ctrl+clic <=> clic droit; bokotra iray ihany tsinona no amin'ny totoziny. Azo atao tsara mihitsy koa anefa ny mampiasa totozy USB misy bokotra roa sy molette.\\ * Saika azo atao drag-n drop daholo ny rehetra�. \\ * Mampiasa image disque betsaka koa izy, ny logiciel-ny matetika anaty fichier *.dmg no itsinjarana azy. \\ * Rehefa hi-ejecter disque (na hi-demonter image), dia bataina mankao anaty corbeille le izy ... * Barre de menus iray ihany no itambaran'ny rindrankajy rehetra. Ny //barre d'outils// an'izay rindrankajy actif ihany no miseho\\ * [[KomandyUNIX|Komandy Unix]] no ampiasaina amin'ny Terminal. sns ... ===== Ny rindrankajy mandeha aminy ===== Ireo API **Carbon** sy **Cocoa** no tena mitantana ny rindrankajy mandeha amin'ny MacOsX, ary tsy itovizany amin'ny MacOs taloha koa. Noho izany dia rindrankajy namboarina manokana ho azy mihitsy vao mety (Mbola misy sous-systeme MacOs 9.2 anefa ao anatiny ahafahana mandefa ireo rindrankajy taloha). Ireo rindrankajy **Java** kosa tonga dia mandeha aminy noho ilay milina Java efa miaraka aminy. Ireo rindrankajy mandeha amin'ny [[UNIX|unix]] rehetra koa dia afaka mandeha aminy (ireo rindrankajy fahita amin'ny linux ohatra). Unix izy tsinona ary misy API itovizany amin'ny unix sasany. Misy rindrankajy atao hoe **X11** mila apetraka anefa mba hahafahana mandefa ireo izay mampiasa fenetres; tsy mipetraka par defaut io fa efa ao anatin'ny cd MacOsX ihany. Tsara ho fantatra anefa fa: * **powerpc** fa tsy x86 ny [[processeur]] ihodinany hatramin'izao * tsy afaka mampiasa rpm, deb, sns izany hoe ireo binaire ho an'ny OS hafa izy Noho izany dia mila averina atao kompil ireo rindrankajy unix hapetraka aminy. Indraindray anefa misy fomba ahafahana mametraka azy mivantana avy amin'ny internet, efa vita kompil ho an'ny MacOsX. Efa nivoaka ny MacOsX mandeha amin'ny processeur Intel x86, ka ny 10.4 Tiger no nisantarana azy. ===== Samihafa ===== [[DevMac|Fanaovana Dev amin'ny Mac]]\\ //Angatahana mba hanampy [[FametrahanaMacOSX]] izay efa nametraka e)// ===== Nandray anjara ===== -- [[Lapino]] -- [[FRAZ]]