Orinasa informatika noforinin’i William Henry Gates III (Bill Gates), matanjaka indrindra ankehitriny.
Toerana misy azy: Redmond anatin’ny etat-n’i Washington
Tale jeneraly: Steve Ballmer (2000 - izao), Bill Gates (1975 - 2000)
Rohy ofisialy: http://www.microsoft.com/
Interpreteur BASIC no niandohany. Tamin’ny hanaovan’i IBM an’ireo IBM-PC dia nangatahany tamin’i Microsoft io Basic io, ary nangataka OS koa izy ho afaka ihodinany. Dia nanamboaran’i Microsoft ny MsDOS avy amina DOS hafa antsoina hoe QDOS (Quick and Dirty OS). Noho io solosain’i IBM io no tena nanaparitaka ny MsDOS ho eny am-pelatanan’ny tsirairay.
Nitombo moa izany niaraka tamin’ny rindrankajy MsOffice izay mbola mpanjakan’ny bureautique, sy ny Windows izay mipetraka amin’ny 90%-n’ny solosaina eran-tany, ary ireo karazana rindrankajy sy service maro vokariny.
Microsoft no orinasa informatika matanjaka indrindra amin’izao fotoana izao, (ny mpamorona azy koa no olona manan-karena indrindra), ary miasa amin’ny sehatra maro karazana indrindra
Nanomboka tamin’ny taona 90 hatramin’ny nivoahan’ny Linux dia nanomboka nirongatra ireo rindrankajy opensource. Ny filozofia entin’ny opensource moa tsy mifanaraka amin’ny fiasan’i Microsoft - izay orinasa ohatra ny rehetra, mitady vola. Henjana araka izany ny fifaninanana amin’ireo, ny iray entina capital ary ny iray communaute...