====== Mpampiantrano ====== Ny zavatra tokony hatao voalohany angamba dia ny mitady milina afaka mampiasa php. * Azonao atao ohatra ny mitady mpampiantrano maimaim-poana hanandramana azy. Raha hanao andrana fotsiny ianao dia azonao ampiasana ny mijery amin'ity rohy manaraka ity izay afaka hanome lisitra ho anao: [[http://www.0faute.com/heberge.htm]] * Azonao atao koa ny mampiditra fitaovana afaka mampiasa php ao amin'ny milinao. Ny fampiasako matetika dia EasyPHP * Mety ho azonao atao koa ny mampiasa [[Webserver Finday]] anaty //pendrive// ohatra, izay azonao ampiasaina any amin'izay ahitanao milina hiasana.