Ny Unix dia multi-utilisateur, izany hoe mety misy mpampiasa maromaro afaka miaraka miasa amin’ny systeme iray. Ny mpampiasa tsirairay dia manana ny kaontiny tsirairay avy, izany hoe manana ny anarany sy teny alahidy. Ao anatin’ilay systeme izy dia mety fantatra ihany koa amin’ny laharana UserID na UID.
Marihina ny fisian’ny mpampiasa iray manokana atao hoe super-user na root izay manana ny alalana rehetra amin’ny fanovana izay zavatra misy amin’ilay systeme.
Ireo baiko momba ny mpampiasa:
fichier misy ny momba ny mpampiasa: /etc/passwd
Voasokajy anaty vondrona maromaro ny mpampiasa tsirairay. Ny vondrona iray misy mpampiasa maromaro, ny mpampiasa iray mety ho anatina vondrona maromaro. Ny groupe koa dia manana ny anarany, ary manana ny laharana GroupID na GID
Ireo baiko momba ny vondrona:
fichier misy ny momba ireo vondrona: /etc/group
Isan’ny tena ilana ny fitantanana mpampiasa sy vondrona ny fitantanana an’ireo alalana amin’ny repertoire sy ny rakitra tsirairay.
Jereo eto : alalana