Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/7/71d2b95343b5d72a18043a224cdd1878.xhtml failed

Mpampiasa Unix - Linux

Ny Unix dia multi-utilisateur, izany hoe mety misy mpampiasa maromaro afaka miaraka miasa amin’ny systeme iray. Ny mpampiasa tsirairay dia manana ny kaontiny tsirairay avy, izany hoe manana ny anarany sy teny alahidy. Ao anatin’ilay systeme izy dia mety fantatra ihany koa amin’ny laharana UserID na UID.

Marihina ny fisian’ny mpampiasa iray manokana atao hoe super-user na root izay manana ny alalana rehetra amin’ny fanovana izay zavatra misy amin’ilay systeme.

Ireo baiko momba ny mpampiasa:

  • adduser : manokatra kaonty ho an’ny mpampiasa anankiray
  • passwd : manova ny teny alahidy ho an’ny mpampiasa ampifanarahina amin’ilay baiko ny anarany.
  • userdel : mamafa kaontin’ny mpampiasa
  • usermod : manova ny mombamomba ny mpampiasa
  • su (switch user): manova ny mpampiasa. Raha tsy misy anarana manaraka azy dia miova ho ny root. Arahana fangatahana teny alahidy io baiko io mazava ho azy.
  • whoami : teny anglisy midika hoe “Iza aho”. Mampiseho ny mpampiasa manoratra azy.
  • who : mampiseho ireo mpampiasa connecte amin’ilay milina

fichier misy ny momba ny mpampiasa: /etc/passwd

Group

Voasokajy anaty vondrona maromaro ny mpampiasa tsirairay. Ny vondrona iray misy mpampiasa maromaro, ny mpampiasa iray mety ho anatina vondrona maromaro. Ny groupe koa dia manana ny anarany, ary manana ny laharana GroupID na GID

Ireo baiko momba ny vondrona:

  • addgroup : mamorona vondrona vaovao
  • groupdel : mamafa vondrona iray
  • groupmod : manova ny mombamomba ny group

fichier misy ny momba ireo vondrona: /etc/group

Alalana

Isan’ny tena ilana ny fitantanana mpampiasa sy vondrona ny fitantanana an’ireo alalana amin’ny repertoire sy ny rakitra tsirairay.
Jereo eto : alalana

 

mpampiasasyvondrona.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43