Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/c/c280237dcb7e040495713957e3b16cc8.xhtml failed

MPlayer - The Movie Player

Famakiana haino aman-jery Open Source amin’ny Linux no tena ampiasaina azy matetika fa mandeha amin’ny Windows ihany koa.

Ankoatr’izay dia hahafahana mikirakira ireo rakitra samihafa ihany koa toy ny Encodage miaraka amin’ny MEncoder

Amin’ny Linux dia misy Interface Graphique tsara tarehy efa miaraka aminy ka tsy dia mananosarotra ny fampiasana azy . Azo atao koa ny mampiasa ny baiko mplayer na ny mencoder . Rehefa hanao asa bambaray moa no tena hampiasaina azy itony matetika.

Fikafika samihafa fampiasa matetika (Mencoder)

  • Fomba fiantso amin’ny ankapobeny

(Afaka mijery ny man raha hiditra lalina kokoa sy mila fanazavana misimisy)

shell$ mencoder moviefilename -ovc ... - oac ... -o ...
ovc : ouput video codec - misy safidy maro azo ampiarahina aminy
oac : output audio codec - misy safidy maro
o : output - anaran'ny fichier de sortie

Azo atao ihany koa ny mijery aide ho an’ny option anankiray ihany. Ohatra :

shell$ mencode -ovc help
shell$ mencode -oac help
  • Hanapaka fichier iray

Indraindray lehibe loatra ny film anankiray dia tsy omby CD dia mila zaraina anankiroa ohatra. Raisintsika hoe format avi ilay film

shell$ mencoder -ovc copy -oac copy -endpos 650mb source.avi -o output1.avi
shell$ mencoder -ovc copy -oac copy -ss 650mb source.avi -o output2.avi

Ny dikan’ilay hoe copy eto dia tsy manova format na audio na video. Ny ambiny angamba miteny ho azy. Azo atao hoe ora koa no raisina fa tsy ny habehin’ny fichier. Ohatra

shell$ mencoder -ovc copy -oac copy -endpos 01:00:00 source.avi -o output1.avi
shell$ mencoder -ovc copy -oac copy -ss 01:00:00 source.avi -o output2.avi

Sokajy Famakiana haino Aman-jery

 

mplayer.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43