Ny reseau dia fifampifandraisana fitaovana maromaro afaka mifanakalo informations. Mety ho solosaina ireo fitaovana ireo, mety ho telefona, mety ho zavatra hafa. Mifamatotra akaiky ary ny informatika sy ny fifandraisan-davitra rehefa miresaka reseau.
Arakaraka ny halehibeny dia ahitana ireto karazany ireto ny reseau:
LAN (Local Area Network): system misy ordi maro (client sy server), printer, router, switch, repeater, sns..izay miparitaka amin’ny toerana iray ka mifandray amin’ny alalan’ny cable. Raha mifandray amin’ny wireless izy dia WLAN no iantsoana azy. Mety hisy koa reseau virtuel,
MAN (Metropolitan Area Network): fifandraisana LAN maromaro, tsy mifanalavitra loatra, tokotokony ho anaty tanan-dehibe iray
WAN (
Wide Area Network): fifandraisana LAN maromaro mety ho tena mifanalavitra
GAN (
Global Area Network): reseau tsy voafetra ara-jeografika, izany hoe afaka idirana na avy aiza na avy aiza eto ambonin’ny tany. Ny
Internet no tena fantatra amin’izany.