09/05/2005 Mpanoratra : DotMG
Fitaovana iray ny aspirateur de site ahafahana mandika izay ao anatin’ ny sehatra iray ho ao anatin’ ny solosainao, ka dia afaka mamaky izany ianao avy eo tsy mila fifandraisana amin’ ny tranonkala intsony (offline). Ohatra iray amin’ izy ireny ny HTTrack. Ho an’ ny mpitsidika (surfeur) aloha dia tsy misy holazaina firy fa dia mampihena ny vola mivoaka ny fampiasana azy ireny. Ny zavatra tokony hotsipihina fotsiny angamba dia tokony hametraka azy ireny ny syberkafe manindrahindra ny fahalalahan’ ny mpampiasa internet, izay hoe ireo syberkafe mamela ny mpanjifa hampiasa malalaka ny espace disque-n’ ny solosaina.
Ho an’ ny mpitantana sehatra (webmestre) kosa dia misy ny lafy tsarany ary misy ny lafy ratsiny.
Ny lafy tsarany dia ho an’ ireo sehatra maniry hanaparitaka ny votoatiny amin’ ny olona rehetra. Indraindray mantsy rehefa compresse ilay votoatin’ ny sehatra aspire iny dia ifampizaran’ ny mpitsidika, koa na olona tsy manana internet aza dia afaka mahita izany amin’ ny alalan’ ilay fichier zip.
Tsy horesahina be ny amin’ izay lafy tsarany izay fa ny lafy ratsiny kosa dia azo zaraina toy izao :
Misy ihany ny fomba hiadiana aminy kanefa tsy tena mahomby loatra, jereo ery amin’ ny faran’ ny takelaka ery.
httrack : http://www.httrack.com
hiadiana amin’ ny aspiration : http://www.httrack.com/html/abuse.html