Ny OS dia Operating System na ihany koa hoe Systeme d’Exploitation.
Ny OS no programa fototra, aina mampandeha ny solosaina. Izy no mitantana ny fitaovana hardware rehetra mandalo amin’ireo driver, mitantana ny donnees miditra sy mivoaka, ary izy koa no ihodinan’ny rindrankajy (logiciels) rehetra. Ity kisary ity dia mampiseho ny toerana raisin’ny OS:
Matetika ny OS dia misy ireto singa ireto:
- kernel
- API
- mpandika baiko (interpreteur de commande)
- window manager izay ahazoana GUI
Maro be ny karazana OS amin’izao fotoana izao, ary ho an’ny plateforme materiel isaky ny karazany avy izy ireny. Ny processeur moa no tena mametra an’io plateforme io.