P2P na fantatra ihany koa hoe Peer to Peer dia hilazana ny protocole toy izao : ny mpandray anjara ao aminy dia sady serveur no sady client ihany koa. Antsoina hoe servent izy indraindray (fanambarana ny hoe serveur sy client).
Anisan’ny tena nirongatra be ny fampiasaina ny P2P eo amin’ny fifanakalozana fichier samihafa. Tsy ny fifanakalozana fichier ihany anefa no azo atao aminy fa lasa miha-betsaka ny mampiasa azy ho fitaovana multimedia toy ny Streaming sy ny VoIP sy ny sisa . Ao koa ny mampiasa azy ho fitaovana sientifika toy ny Grid Computing.