05/04/05 Mpanoratra : RTN
Ny PAG (Prescriptive Architecture Guidance) dia torolalana momba ny Architecture ary Application Blokcs kosa dia Framework efa vita azo ampiasaina hanafainganana ny asanao.
Maro ireo patterns (Singleton, MVC, ...) azonao ampiasaina ahatsara ny asanao sy ahamora ny fanamboarana azy. Ny MVC no somary hasiako teny kely satria matetika fampiasa izy io.Halavaina amin’ny teny hoe Model View Controller
Ka ity misy rohy ahitanao torolana hanaovana an’izany amin’ny .NET : Perscriptive Architecture Guidance.
ny Application Blocks moa dia karazana Bibliotheque maromaro azo ampaisaina hanafainganana ny fanamboarana ny laminasanao.
Ireto misy karazana Applications Blocks vitsivitsy azonao hasiana topimaso :
Aggregation Application Block : ahafahanao mamoka vokatra iray mitovy XML amin’ireo loharanon-tahiry maro (Sql Server,Web Service,...).
Asynchronous Application Block : Manampy anao amin’ny fanamboarana takelaka asp.net mba ahahaingana azy satria tsy mifampiandry ireo asamarika isan-karazany.
Caching Application Block : manampy anao amin’ny fikirakirana Cache, fotoana hafatesany, fanalahidy sy ny maro hafa koa.
Configuration Management Application Block : Fomba fitantanana tsotsotra ireo tefin-drakitra (XML, DataBases,register).
Data Access Application Block : Hanampy anao indrindra amin’ny fanefena ireo fidirana amin’ireo tahiry maro samihafa.
Exception Management Application Block : Ahafahanao mitantana amin’ny fomba farany izao tsotra ireo indro.
Logging Application Block : Fitaovana iray hitahirizana ireo indro nitranga.
Updater Application Block : kirakira fanavaozana ireo laminasa amin’ny solosain’ny mpitsidika.
User Interface Process Application Block : Manampy anao amin’ny fitantanana ireo sehatra (session) sy ny ahoana (etat) amin’ny mpanera iray(Interface).
Ity ny rohy raha hatsaka ny Application Block farany Enterprise Library