Ny PayPal (izay an’ny Ebay.com) dia anisan’ireo toerana ifamezivezen’ny vola eo amin’ny Internet. Azo ampiasaina hividianana sy hivarotana, handefasana sy handraisana vola amin’ny alalan’ny email.
Amin’izao fotoana izao dia mahatratra 93 millions no isan’ny mampiasa Paypal.
Ny zavatra kely indrindra ilaina mba hahafahana misoratra anarana ao amin’ny Paypal ny adiresy email.
Araka ny zavatra hafa ilainao amin’izay no hampidiranao zavatra hafa.
Ohatra: - Raha mila mampiditra vola ao amin’ny kaontinao ianao dia mila manana Carte de Credit.
- Raha mila misintona vola ao amin’ny kaontinao ianao dia mila manana kaonty amin’ny banky
Ny tena antony hampisain’ny olona ny PayPal matetika dia mba hialana amin’ny fampidirana ny Carte de Credit etsy sy eroa. Maro mantsy ireo site izay manaiky ny handoavana ny tolotra omeny amin’ny alalan’ny paypal ka aleon’ny olona mampiasa ny kaontiny amin’ny paypal toa izay hampiasa ny Carte de Credit isaky ny mihetsika.
Fa anisan’ny tombontsoa ho an’ny Paypal ihany koa ny fahafahan’ny any amin’ny tany andalam-pandrosoana mividy sy mampiasa tsara ireo tolotra aroson’ny olona amin’ny tany hafa.
Ohatra: raha hividy nom de domaine ianao kanefa mipetraka any Madagasikara dia afaka manokatra kaonty paypal, dia io kaontinao io no ampiasaina. Mazava ho azy, tsy maintsy mitady fomba hametrahana vola amin’io kaonty io ianao (ohatra hoe mangataka ny olona hampiditra vola ao, manao fitadiavambola sns)
Tahaka ny banky ihany ny paypal... misy olana vitsivitsy izay anjaran’ny tsirairay ny mandinika azy. Ohatra vitsivitsy fotsiny ireto.