Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/c/c006cd827ccfc196a8d44eb29189a28c.xhtml failed

Phishing

Ny phishing

Raha adika tsotsotra dia fanjonoana ny phishing (asa ny tsonjo angaha no mora azony kokoa :-)). Eritrereto ohatra hoe:

  • mahazo imailaka avy any amin’ny vadinao ianao manontany hoe firy moa ny laharan’ny carte bancaire-nao
  • mahazo imailaka avy any amin’ny namanao akaiky tsy hamadika anao mihitsy ianao hoe firy ny n° sécurité sociale-nao, ny adiresinao, sns ...
  • mahazo hafatra avy any amin’i Microsoft ianao hoe tandindomin-doza ny solosainao fa mandehana maka an’itsy rindrankajy itsy hiarovana azy, ...

Etsetra etsetra ... Fitaka bevava ohatra an’izany no atao hoe phishing mba hanangonana ireo “données personnelles” hampiasana azy amin’ny fomba maro, mety hoe hangalarana tsotra fotsiny izao izany.

Ahoana hoy ianao no ahafantarany ny adiresy imailakao sy ny adiresy imailaky ny vadinao na ny namanao? Jereo ireto: hoax, Fiarovana adiresy imailaka

Lojika kely hiarovan-tena

fantaro fa:

  • Ny données personnelles-nao dia efa ananan’ny bankinao daholo, tsy misy banky handeha hanontany an’izany amin’ny mpanjifany mihitsy, indrindra anie ka amin’ny imailaka.
  • Tsy misy mpanamboatra rindrankajy (logiciel) haniraka anao haka mise-a-jour na fanalana malware any amin’ny vohikala (site web) tsy azy. Raha misy izany dia tsy maintsy efa ao anatin’ireo rindrankajy no misy an’izany, ary tsy maintsy any amin’ny site-n’ny mpanao ilay rindrankajy. Tandremo fa virus na malware hafa ireny.
  • Ny vadinao na ny namanao raha mangataka zavatra confidentiel, dia tsy amin’ny imailaka no tokony hahavantana azy. Avereno anontanio an-tariby izy ohatra na ohatra an’izany hanamarinana fa tena avy aminy ny imailaka.

Jereo koa

 

phishing.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43