Ny tanjona amin’ity fampiharana ity dia mba hahavitana takelaka kely iray tsotsotra misy pejy vitsivitsy. Ny endriky ny pejy fandraisana dia toa izao.
Mba hahafahana manao takelaka toa io dia tokony ho fantatra aloha ny zavatra tokony hivoaka amin’ny endrika statika. Izany hoe ireo endrika HTML rehetra tiana hivoaka.
Io sary io ohatra dia azo atao tsotsotra toa izao amin’ny HTML toa izao
(Ny toeran’ny faritra tsirairay fotsiny aloha no ezahina hajaina)
<!DOCTYPE HTML PUBLIC "-//W3C//DTD HTML 4.0 Transitional//EN"> <html> <head> <title>Fampiharana 1</title> <style> #header { } #page { } #nav { float: left; width: 200px; } #content { border: 3px solid red; width: 100%; } #footer { float: left; width: 100%; } div { border: 1px solid black; } </style> </head> <body> <div id="header"> Lohany </div> <div id="page"> <div id="nav"> Sisiny </div> <div id="content"> Vatany </div> </div> <div id="footer"> Tongony </div> </body> </html>
Dia hotehirizintsika ho fampiharana.php io, ary hapetratsika amin’ny toerana izay mampiasa php
Zavatra toa izao izany no tiana hatao saingy mampiasa php 1_1/fampiharana.php
Tohiny: fampiharana_1_2