Takelaka statika, na tsy miova, izany iny vita anakiray iny. Ara-dalàna tsara ny fampiasana takelaka statika saingy amin’izay maha statika azy izay dia tsy miova izy. Isika anefa te hanamboatra takelaka 3. Ny iray fandraisana, ny iray mombamomba ny takelaka, ary ny iray farany dia toerana hahafahan’ny olona mifandray amintsika (Fandefasana hafatra).
Raha miditra amin’ny takelaka statika isika dia voatery hanamboatra takelaka telo toa izao.
Ireo faritra miloko ihany anefa no miova amin’ireo takelaka telo ireo.
Ny olana eto, raha ovaina ny sisiny amin’ny takelaka iray dia tsy maintsy ovaina hitovy amin’iny avokoa ny takelaka roa hafa.
Ka izay no antony hanamboarana takelaka dinamika. Raha hovaina ho dinamika izany io dia takelaka iray ihany no miasa fa ireo faritra miloko ihany no ovaina.
Amin’izao ary dia mamorona vatany telo isika. Izany hoe ilay ao anatin’ilay hoe
<div id="content">...</div>
Ataontsika hoe fandraisana.php
Faly miarahaba anao eto amin'ny takelaka andrana
Ataontsika hoe mombamomba.php
Ity takelaka ity dia takelaka fianarana php ao amin'ny infogasy.net
Ataontsika hoe hafatra.php
Raha hifandray aminay dia jereo ny takelaka www.infogasy.net
Mba haha statika an’ilay takelaka izany dia fichier iray ihany no ampiasaina fa ampidirina ao anatiny ireo vatany telo ireo. Eto isika no mampiasa ny fonction atao hoe include()
Ohatra. Raha te hijery ny Fandraisana ny olona dia izao no soratana.
Tsy soratako intsony ilay ivelan’ny <body>
<body> <div id="header"> Lohany </div> <div id="page"> <div id="nav"> Sisiny </div> <div id="content"> <?php include('fandraisana.php') ?> </div> </div> <div id="footer"> Tongony </div> </body>
Raha tiana hoe ny momba ny takelaka fotsiny no mitranga dia ovaina ilay hoe
<?php include('fandraisana.php') ?>
fa atao hoe
<?php include('mombamomba.php') ?>
Ary raha ny hafatra fotsiny no tiana hitranga dia atao hoe
<?php include('hafatra.php') ?>
Eto amin’izay no tena idiran’ny resaka dinamika.
Koa satria fichier iray ihany no hampiasaina hiantsoana ireo vatany 3 ireo dia tsy maintsy hampiasa Variables izany isika. Andao antsoina hoe page ny variable hampiasaina. Ka rehefa
page = fandraisana
dia miseho ny fandraisana. Rehefa
page = mombamomba
dia miseho ny mombamomba ary rehefa
page = hafatra
dia miseho ny takelaka fandefasana hafatra.
Ny fomba hakantsika an’ilay variable page dia avy amin’ny mpitsidika. Izany hoe asaintsika mampiditra ny takelaka tiany hiseho ny mpitsidika.
Rehefa manoratra ny adiresin’ny takelaka izany ny mpitsidika dia tsy maintsy hanoratra hoe
http:.../fampiharana.php?page=fandraisana
na
http:.../fampiharana.php?page=mombamomba
na
http:.../fampiharana.php?page=hafatra
(Ireo rohy telo ireo dia azontsika atao eo amin’ny sisiny)
Toa izao ary rehefa atambatra izay rehetra izay.
<body> <div id="header"> Lohany </div> <div id="page"> <div id="nav"> <!-- Sisiny tsy miova --> <li><a href="fampiharana.php?page=fandraisana">Fandraisana</a></li> <li><a href="fampiharana.php?page=mombamomba">Mombamomba</a></li> <li><a href="fampiharana.php?page=hafatra">Hafatra</a></li> </div> <div id="content"> <?php // rehefa misy // eo alohany dia tsy jeren'ny php // noho izany azo apetraka ho fanazavana fotsiny // raisina ilay variable page. Ny $_GET[] dia izay variables rehetra // ampidirin'ny mpitsidika $page = $_GET['page']; //ampidirina izay ilain'ny mpitsidika arakaraky ny page if($page == 'fandraisana') { include('fandraisana.php'); } elseif($page == 'mombamomba') { include('mombamomba.php'); } elseif($page == 'hafatra') { include('hafatra.php'); } else { //tsy ao anatin'izay tadiavina ny page echo "Tsy misy io takelaka io"; } ?> </div> </div> <div id="footer"> Tongony </div> </body>
Azo jerena eto : 1_2/fampiharana.php
Raha io izany no jerena dia afaka manamboatra hatramin’ny pejy maromaro sahady isika (fa tsy telo fotsiny). Ilay variable fotsiny no mila harindra tsara mba tsy hikorontana be tahaka an’io.
Tohiny : Ny variables