Raha efa programmeur @ fitaovana hafa ianao dia mahazo ny tiana holazaina eto. Afaka tonga dia mandingana ao amin’ny fizarana manaraka
Ny Safidy (io no hiantsoantsika ny conditions) no ahafahana mibaiko ny milina arakarak’izay variable azo.
Ohatra hoe : Raha ‘fandraisana’ ny variable $page azo dia sokafy ny fichier fandraisana.php.
Izay azo adika tsotsotra hoe
if ($page == 'fandraisana') { include ('fandraisana.php'); //ny include dia mampiditra fichier anakiray hafa }
Amin’ny maha safidy azy anefa dia misy koa ny safidy faharoa na fahatelo sns.
Ohatra hoe : Raha toa kosa ‘mombamomba’ ny variable $page azo dia sokafy indray ny fichier mombamomba.php
Izay azo nadika tsotsotra hoe
elseif ($page == 'mombamomba') { include ('mombamomba.php'); //ny include dia mampiditra fichier anakiray hafa }
sns.
Ary ny fara-safidy dia ilay hoe tsy ao anaty safidy.
Ohatra hoe : Raha tsy izany dia soraty hoe “Tsy ao ny takelaka”;
Izay azo adika tsotsotra hoe
else { echo "Tsy ao ny takelaka"; //ny echo no fitaovana entina manoratra eo amin'ny takelaka }
Misy fitaovana hafa entina mampisafidy (toa ny switch) fa tsy hojerentsika amin’izao fotoana izao.