php_fampidirana [wiki ifg]
Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/0/01b6252412779f7ef287c7224b1a285d.xhtml failed

Lohamilina mampiasa php

Rehefa avy nifidy mpampiantrano ianao dia ndao ary.

Tsy ny lohamilina rehetra no mampiasa ny php. Arakaraka ny fifanarahana tamin’ny tompon’ny lohamilina. Fa ny fomba hitsapana hoe mampiasa php ve ny lohamilina iray (ohatra azo jerena amin’ny http://ohatra.com) dia azonao atao izao :

  • Mamorona fichier iray amin’ny alalan’ny notepad na izay fanoratana ao aminao ao.

Dia soraty ao anatiny


<?php phpinfo() ?>

Dia omeo anarana hoe phpinfo.php ilay fichier ary ampidiro ao amin’ny toerana natokana ho anao ao amin’ny lohamilina, ohatra antsoina hoe http://ohatra.com/phpinfo.php// .
Raha local no iasanao, dia ataovy ao amin’ny Dossier fototra amin’ny webserver no asiana azy. (Raha EasyPhp ohatra, dia ao amin’ny xxx/EasyPhp/www) Sokafy amin’izay ny takelaka http://ohatra.com/phpinfo.php
Raha mampiasa webserver local ianao, dia “
http://localhost/phpinfo.php//” na “http://127.0.0.1/phpinfo.php//” no adiresy omena ny navigateur. Raha ohatra misy soratra lava be milaza momba ny dika php ao anatin’ny lohamilina dia afaka mampiasa php izany ianao. Raha sanatria tsy misy na inona na inona mitranga, na misy hadisoana, na koa mitranga ilay zavatra nosoratanao.... dia tsy mandray php izany dia voatery mitady Mpampiantrano vaovao indray ianao.

 

php_fampidirana.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43