Rehefa hitanao fa afaka mampiasa PHP ny lohamilina dia afaka miroso tsikelikely amin’ny lesona amin’izay isika.
Ny takelaka voalohany hosoratantsika ary dia takelaka misy soratra hoe
Ny PHP dia azo asisika anaty pejy HTML ihany. Fa mba hilazana hoe PHP ilay takelaka dia tsy maintsy:
<?php /** votoatiny PHP **/ ?>
Rehefa mahita an’io <?php io ny milina dia mandika avy hatrany ny soratra manaraka azy ho PHP mandrapahitany indray ny ?>
Ny fonction mpanoratra rehefa amin’ny php dia ny
echo();
Izany hoe raha te hanoratra hoe Miarahaba anao isika dia toa izao no soratana
<?php
echo("Miarahaba anao");
?>
Azonao omena anarana andrana.php io tahirinkevitra io dia tehirizo.
Rehefa avy eo dia azonao sokafana ny pejy andrana.php dia ho hitanao fa misoratra ny hoe
Miarahaba anao