Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/d/d86968b487e94507ab08cfe046be256a.xhtml failed

Inona no atao hoe RAM

Ny RAM dia alavainy hoe Random Access Memory na amin’ny teny frantsay Memoire a Acces Aleatoire. Ny mahatonga azy hoe Random dia izy afaka dia hanaovana acces mivantana raha fantatra ny ligne sy colonne misy ilay donnees.

Ny mifanohatra aminy dia ny SAM na koa hoe Serial Access Memory ohatr’ireny kasety taloha ireny ohatra izay tsy maintsy mitety aloha vao tonga any amin’ny tanjona.

Misy karazana roa lehibe ny RAM misy ny statique na SRAM ary misy ny dynamique na DRAM. Ny teknolojia ampiasainy no mahasamihafa azy roa ireo. Ny DRAM mampiasa transistor sy condensateur anankiray izay mila manao refresh matetika sao lasa ny charge, moa ny SRAM mampiasa transistor maromaro atao endrika flip-flop, tsy mila manao refresh noho izany.

Arak’ireo dia ny SRAM haingana kokoa noho ny DRAM fa mibahana toerana kokoa. Dia ny SRAM izay ampiasaina matetika ho an’ny cache ny processeur moa ny DRAM ho an’ny memoire ho an’ny ambiny, ilay memoire mahazatra.

Torohevitra vitsivitsy

Ny memoire:tandremo fa ny ordi taloha tsy mahazaka ny 400mhz ary tsy azo atambatra rehefa tsy mitovy.Donc 300mhz ihany ampiasaina fa tahaka ny tratran’ny virus ny ordi mipika ho azy raha vao tsy mety @ carte mere.

Ilay Ram dia barette memoire. Samy manana ny isan’ny broche na ny nifiny ilay izy. Tsy azo raisina tanana ny memoire fa tandremo.(tsingitsinginina) Eo indray ilay hoe 16 na 32 na 64 na 250 ilay izy . Ankoatra an’iny dia ilay 333mhz no zakan’ny ankamaroan’ny ordinateur taloha izany hoe na P4 aza ka efa elaela. Ny 400mhz indray dia ny vaovao rehetra no mety.

Jereo tsara ny hoe SDRAM sy ny MdRam angamba izy izay ,tsy tadidiko intsony ,fa tsy mety miditra ilay nifiny raha tsy izy no eo @ toerany. mora jerena iny ka. izany hoe aza mividy raha tsy miditra mihintsy ny nifin’ny memoir. ilay broches io. Fadio ny mametraka Ram samy hafa ohatra: 400mhz sy 333mhz.

Ilay Ram kay SDRAM sy DDRAM . Ka ny pc100 sy PC133 angamba DDRAM izy izay. Ilay nifiny ihany hoa jerena fa misy banga kely roa na telo ilay izy hitsifohany fa tsy possible ifandiso.

–Player


Ny PC100 (100Mhz) sy ny PC133 (133 Mhz) dia SDRAM ireo (ram efa taloha). Ny DDR-SDRAM indray dia manomboka 266 Mhz (ilay PC2100 eny amin’ny mpivarotra), 333 Mhz (ilay PC2700 eny mpivarotra), 400 Mhz (ilay PC3200 eny amin’ny mpivarotra).

Raha hanambatra PC, ny mila fantarina voalohany dia ny processeur tianao hovidiana, arakarakiny mantsy ny carte mere tokony hovidianao: - Socket A (socket 462) ny an’ny Athlon(32bits)-Duron-Sempron,ny an’ny Athlon 64 kosa dia Socket 754. - Socket 478 (na PGA478) ny celeron sy pentium 4, ireo pentium 4 nivaoka farany izao ny ankabeazany efa Socket T (LGA775).

Avy eo rehefa nahavidy ny carte mere sy ny processeur dia tsy maintsy mijery ny bokin’ilay carte mere hoe inona ny Ram miady aminy. Tsy voatery hoe carte mere vaovao vao novidiako androany ity ka mahazaka DDR PC3200; ny carte mere bas de gamme ny ankabeazany dia tsy mahazaka PC3200 toy ny MSI KM3M-V ary tsy voatery hisy koa controleur serial ata. Ny tsotra indrindra raha tsy dia mahalala firy dia ny mividy kit satria ireo efa fantatra fa miady tsara ireo piece ao. Izay fa mazotoa e!

–dwh


 

ram.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43