Ny fampidirana (baiko na donnees)standard dia ny Klavie, ary ny famoahana (valina baiko) standard dia ny Ecran. Mety misy maromaro anefa ny fampidirana sy famoahana, ohatra avy anaty fichier na avy amina baiko hafa.
Ny familiana (redirection) dia fanovana ny entree na sortie ho fichier. Ny tarehin-tsoratra lehibe noho (>) na kely noho (<) no fampiasana azy. Fomba fanoratana sy famakiana anaty fichier koa io.
Ohatra:
Ny pipeline dia fomba hanaovana ny valin’ny baiko iray hampiasain’ny baiko iray faharoa avy hatrany. Mampiasa ny tarehintsoratra tsipika mijidina “|” izy, (azo amin’ny AltGr+6 amin’ny klavie frantsay).
Ohatra:
Ny baiko tee dia avy amin’ny anarana anglisin’ny litera T. Ampiasaina anaty pipeline mitohy lava be izy io, hangalana valina baiko eny antenantenany atsofoka anaty fichier.
Ohatra: