Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/2/28c3a223fb7bca1f027bca7465a72ada.xhtml failed

Fampidirana sy Famoahana standard (standard Input/Output)

Ny fampidirana (baiko na donnees)standard dia ny Klavie, ary ny famoahana (valina baiko) standard dia ny Ecran. Mety misy maromaro anefa ny fampidirana sy famoahana, ohatra avy anaty fichier na avy amina baiko hafa.

Familiana

Ny familiana (redirection) dia fanovana ny entree na sortie ho fichier. Ny tarehin-tsoratra lehibe noho (>) na kely noho (<) no fampiasana azy. Fomba fanoratana sy famakiana anaty fichier koa io.
Ohatra:

  • Ny baiko “ ls > rakitra ” dia manoratra ny valin’ny baiko ls ao anatin’ny fichier rakitra. Afaka jerena izany amin’ny alalan’ny baiko cat rakitra
  • Ny baiko “ pwd » rakitra ” dia manampy ny valin’ny baiko pwd any amin’ny faran’ny fichier rakitra. (Jereo ny tsy fitovizan’ny “>” sy “»” )
  • Ny baiko “ wc < rakitra ” dia mampiditra izay ao anatin’ny fichier rakitra hokirakirain’ny baiko wc

Pipeline

Ny pipeline dia fomba hanaovana ny valin’ny baiko iray hampiasain’ny baiko iray faharoa avy hatrany. Mampiasa ny tarehintsoratra tsipika mijidina “|” izy, (azo amin’ny AltGr+6 amin’ny klavie frantsay).
Ohatra:

  • amin’ny baiko “ls | wc” : ny valin’ny baiko ls no anisan’ny baiko wc teny. (ie isan’ny fichiers sy repertoires)

Tee

Ny baiko tee dia avy amin’ny anarana anglisin’ny litera T. Ampiasaina anaty pipeline mitohy lava be izy io, hangalana valina baiko eny antenantenany atsofoka anaty fichier.
Ohatra:

  • ls | tee antenantena | wc > isanteny : lasa ao anatin’ny fichier antenantena ny valin’ny baiko ls, ary ny isan’ny teny amin’io lasa ao anaty fichier isanteny izay namiliana ny valin’ny baiko wc.
 

redirectionpipeline.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43