Ny informatika dia natao hanolo ny toeran’ny olombelona eo amin’ireo asa matetika miverimberina sy mandreraka. Ny olombelona koa anefa etsy andaniny dia tsy mitsahatra ny mitady vaha-olana mba hahamora sy manamaivana ny fomba fanehoana sy fampitana hevitra.
Ny regexp dia modely natao fanehoana vondrona soratra maromaro mitovitovy endrika na misy hifandraisany izy (Voarakitra ao na litera na isa). Natao ho vakian’ny olombelona izy fa ny tanjaky ny solosaina no araraotina asaina manao ny kajy rehetra.
Rehefa mitady fichier (rakitra) dia matetika isika manao hoe : *.* ohatra tamin’ny ny adron’ny DOS, ireny dia anisan’ny expression reguliere. Nitatra be izy taty aoriana ka lasa ofisialy mihitsy ary tapitra hahitana azy daholo ny ankabeazan’ny kirakira toy ireo editeur texte samihafa sy ny maro hafa.
Misy karazany maromaro ny fanoratana regular expressions, ohatra:
[AB] : maneho litera A na B [aeiouy] : maneho zanatsoratra, sora-madinika [A-Z] : maneho sora-baventy [0-9] : maneho tarehimarika
^ : maneho fiandohan'ny andalana rehefa eny amin'ny voalohany ^ $ : maneho fiafaran'ny andalana rehefa eny amin'ny faran'ny modely ^$ : io izany maneho andalana foana (ligne vide)
Ny ^ rehefa tsy eo amin’ny voalohan’ny regexp dia milaza fandavana, izany hoe:
[^aA] : maneho izay soratra rehetra ankoatra ny a [^0-9] : tsy tarehimarika
Toy izao no fomba fanehoana fiverimberenana:
? : Ny soratra arahiny dia miverina in-0 na 1
* : Ny soratra arahin'ny * dia miverina in-0 na mihoatra
+ : Ny soratra arahin'ny + dia miverina in-1 na mihoatra
{min,max} : Ny soratra arahin'io dia miverina in-min farafahakeliny, ary in-max farafahabetsany. Ohatra:
{2,5} : farafahakeliny in-2 ary tsy mihoatra ny 5
{2,} : farafahakeliny in-2 ary tsy misy fetra farafahabetsany
{,5} : farafahabetsany in-5
infogasy|ifg : mifanaraka amin'izay misy hoe "infogasy" na "ifg"
[:upper:] : sora-baventy [:lower:] : sora-madinika [:alpha:] : tarehin-tsoratra [:alnum:] : tarehin-tsoratra sy tarehimarika [:digit:] : tarehimarika [:xdigit:]: tarehimarika hexadecimal [:punct:] : mari-piatoana (teboka, faingo, sns) [:blank:] : espace na tab
Azo akambakambana ho vondrona ny regexp. Fonon-teny no mametra ny vondrona tsirairay, ary milahatra araka ny fisehoany eo amin’ilay modely izy. Azo averina antsoina amin’ny \n ireny vondrona ireny, n eo no laharany. Misy ohatra nampiasaintsika niresahana sed. mba asio ohatra hafa eto