RPM na Red Hat Package Manager dia fitantanana ireo fonosana manana format rpm. Miodina amin’ny Linux, OS/2, Solaris, ireo *BSD sy ny maro hafa koa izy. Ny format rpm dia rakitra misy fichier maromaro ao anatiny miaraka amin’ny hoe aiza no toerana hametrahana azy anaty disika, ary hahafahana mahalala ihany koa ireo zavatra miankina aminy (dependances). Noho izany dia mitantana sy mandrindra ny fiankinan’ny kirakira samihafa ihany koa ny RPM.
Ny fomba fiantso azy amin’ny ankapobeny
rpm [baiko] [safidy] [fichier]
Ohatra : rpm -ivh fonosana.rpm , i eto ny baiko midika hoe install , ny v (verbose) sy h(hash) ny safidy. Izany hoe milaza zavatra misimisy kokoa izy (miteny hoe aiza hoe aiza,...) fa tsy mangina fotsiny eo am-pametrahana
Afaka mijery fanazavana misimisy amin’ny alalan’ny baiko
# Raha maika rpm --help # Raha manana fotoana man rpm
Hametraka fonosana rpm vaovao
rpm -i fonosana.rpm
Hanao mise a jour fonosana
rpm -U fonosana.rpm
Hanala fonosana
rpm -e fonosana.rpm
Hitady fonosana efa voapetraka misy hoe mysql ny anarany
rpm -qa | grep mysql
Hitady ny fonosana misy fichier hoe anarana ao anatiny
rpm -qf anarana
Hitady ny fonosana miankina amin’ny libc ohatra
rpm -q --requires libc
Hitady ny fonosana izay mametraka libc
rpm -q --provides libc
Hijery ny mikasika ny fonosana iray
rpm -qpi fonosana.rpm
Hitanisa ny fichier anaty fonosana iray
rpm -qpl fonosana.rpm
Hijery hoe niova na simba ny fonosana iray
rpm -V fonosana.rpm
Hijery hoe aiza ny torolalana(doc) mikasika ny fonosana iray
rpm -qd fonosana
# Hitanisa ny ao anaty fonosana rpm2cpio fonosana.rpm | cpio -t # Raha hisarika rpm2cpio fonosana.rpm | cpio -iv # Raha hisarika sady hitazona ny permission ohatra rpm2cpio fonosana.rpm | cpio -idv --preserve-directory-permission