===== RPM =====
**RPM** na **Red Hat Package Manager** dia fitantanana ireo fonosana manana **format rpm**. Miodina amin'ny Linux, OS/2, Solaris, ireo *BSD sy ny maro hafa koa izy. Ny **format rpm** dia rakitra misy fichier maromaro ao anatiny miaraka amin'ny hoe aiza no toerana hametrahana azy anaty disika, ary hahafahana mahalala ihany koa ireo zavatra miankina aminy (**dependances**). Noho izany dia mitantana sy mandrindra ny fiankinan'ny kirakira samihafa ihany koa ny RPM.
===== Baiko fampiasa matetika =====
**Ny fomba fiantso azy amin'ny ankapobeny**
rpm [baiko] [safidy] [fichier]
**Ohatra** : **//rpm -ivh fonosana.rpm//** , **i** eto ny baiko midika hoe **install** , ny **v** (**verbose**) sy **h**(**hash**) ny safidy. Izany hoe milaza zavatra misimisy kokoa izy (miteny hoe aiza hoe aiza,...) fa tsy mangina fotsiny eo am-pametrahana
**Afaka mijery fanazavana misimisy amin'ny alalan'ny baiko**
# Raha maika
rpm --help
# Raha manana fotoana
man rpm
**Hametraka fonosana rpm vaovao**
rpm -i fonosana.rpm
**Hanao mise a jour fonosana**
rpm -U fonosana.rpm
**Hanala fonosana**
rpm -e fonosana.rpm
**Hitady fonosana efa voapetraka misy hoe mysql ny anarany**
rpm -qa | grep mysql
**Hitady ny fonosana misy fichier hoe anarana ao anatiny**
rpm -qf anarana
**Hitady ny fonosana miankina amin'ny libc ohatra**
rpm -q --requires libc
**Hitady ny fonosana izay mametraka libc **
rpm -q --provides libc
**Hijery ny mikasika ny fonosana iray**
rpm -qpi fonosana.rpm
**Hitanisa ny fichier anaty fonosana iray**
rpm -qpl fonosana.rpm
**Hijery hoe niova na simba ny fonosana iray**
rpm -V fonosana.rpm
**Hijery hoe aiza ny torolalana(doc) mikasika ny fonosana iray**
rpm -qd fonosana
===== Torohevitra samihafa =====
***Tsy hijery ny fiankinana fa tonga dia hapetraka fotsiny**: Mampiasa ny safidy **--nodeps**
***Hisarika amin'ny toerana iray ireo fichier anaty fonosana**: Mampiasa **rpm2cpio**. Mamadika ny **rpm** ho lasa format **cpio** no asany. Ohatra :
# Hitanisa ny ao anaty fonosana
rpm2cpio fonosana.rpm | cpio -t
# Raha hisarika
rpm2cpio fonosana.rpm | cpio -iv
# Raha hisarika sady hitazona ny permission ohatra
rpm2cpio fonosana.rpm | cpio -idv --preserve-directory-permission
***Hapetraka ary hitsahina avy hatrany na efa nisy aza teo aloha** : Mampiasa ny safidy **--force**
===== Rohy samihafa =====
***Rohy ofisialy** : [[http://www.rpm.org]]
***Raha te hikirakira azy amin'ny Windows** : [[http://www.laysi.com/rpmbw/]]
----
[[Category PackageManager]]