Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/6/616588f13b0b7b6fa55d523ffe3ddb11.xhtml failed

RPM

RPM na Red Hat Package Manager dia fitantanana ireo fonosana manana format rpm. Miodina amin’ny Linux, OS/2, Solaris, ireo *BSD sy ny maro hafa koa izy. Ny format rpm dia rakitra misy fichier maromaro ao anatiny miaraka amin’ny hoe aiza no toerana hametrahana azy anaty disika, ary hahafahana mahalala ihany koa ireo zavatra miankina aminy (dependances). Noho izany dia mitantana sy mandrindra ny fiankinan’ny kirakira samihafa ihany koa ny RPM.

Baiko fampiasa matetika

Ny fomba fiantso azy amin’ny ankapobeny

    rpm [baiko] [safidy] [fichier]

Ohatra : rpm -ivh fonosana.rpm , i eto ny baiko midika hoe install , ny v (verbose) sy h(hash) ny safidy. Izany hoe milaza zavatra misimisy kokoa izy (miteny hoe aiza hoe aiza,...) fa tsy mangina fotsiny eo am-pametrahana

Afaka mijery fanazavana misimisy amin’ny alalan’ny baiko

  # Raha maika
    rpm --help
 
  # Raha manana fotoana
    man rpm

Hametraka fonosana rpm vaovao

    rpm -i fonosana.rpm

Hanao mise a jour fonosana

    rpm -U fonosana.rpm

Hanala fonosana

    rpm -e fonosana.rpm

Hitady fonosana efa voapetraka misy hoe mysql ny anarany

    rpm -qa | grep mysql

Hitady ny fonosana misy fichier hoe anarana ao anatiny

    rpm -qf anarana

Hitady ny fonosana miankina amin’ny libc ohatra

    rpm -q --requires libc

Hitady ny fonosana izay mametraka libc

    rpm -q --provides libc

Hijery ny mikasika ny fonosana iray

    rpm -qpi fonosana.rpm

Hitanisa ny fichier anaty fonosana iray

    rpm -qpl fonosana.rpm

Hijery hoe niova na simba ny fonosana iray

    rpm -V fonosana.rpm

Hijery hoe aiza ny torolalana(doc) mikasika ny fonosana iray

    rpm -qd fonosana

Torohevitra samihafa

  • Tsy hijery ny fiankinana fa tonga dia hapetraka fotsiny: Mampiasa ny safidy –nodeps
  • Hisarika amin’ny toerana iray ireo fichier anaty fonosana: Mampiasa rpm2cpio. Mamadika ny rpm ho lasa format cpio no asany. Ohatra :
  # Hitanisa ny ao anaty fonosana
    rpm2cpio fonosana.rpm | cpio -t
 
  # Raha hisarika 
    rpm2cpio fonosana.rpm | cpio -iv
 
  # Raha hisarika sady hitazona ny permission ohatra
    rpm2cpio fonosana.rpm | cpio -idv --preserve-directory-permission
 
  • Hapetraka ary hitsahina avy hatrany na efa nisy aza teo aloha : Mampiasa ny safidy –force

Rohy samihafa


Category PackageManager

 

rpm.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43