Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/c/c7acba67c8494ba4eab3060b677ed6ea.xhtml failed

Ny RSS aloha dia endriky ny anona mifototra amin’ny atao hoe XML izay zarain’ny takelaka iray ka azo vakiana amin’ny toerana na fitaovana hafa. Ohatra matetika amin’izany ny lohateny sy votoatim-baovao amin’ny takelaka iray sns...

Anisan’ny tombontsoa amin’ny fampiasana ny RSS ny fotoana. Tsy voatery mandalo ao amin’ny takelaka ianao dia efa hitanao ireo zava-dehibe vaovao ao amin’ilay takelaka. Raha toa moa ka mahaliana anao ilay takelaka dia misy rohy manondro any amin’ilay takelaka ny RSS?

Misy fomba vitsivitsy ahafahana mamaky ny endrika RSS. Eo ohatra ny fitaovana izay azo alaina sy apetraka amin’ny ordinatera. (Jereo etsy ambany ny lisitra). Fa eo koa ny mety hametrahana izany amin’ny takelaka hafa (Blogs, takelaka manokana sns).

Ireto ary ny lisitry ny fitaovana azonao ampiasaina.

  • FeedReader (Windows)
  • FeedDemon 1.5 (FeedBurner Edition)(Windows, more info)
  • NetNewsWire(OS X)
  • Pulp Fiction(OS X 10.3.x)
  • Firefox(via “Live Bookmarks” feature)
  • Safari(RSS support in Apple OS X “Tiger”)
  • NewsGator Outlook Edition(Windows)
  • NewsGator Online Services
  • My Yahoo! RSS
  • Newsburst
  • Rojo
  • Bloglines
 

rss.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43