Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/3/3c134a47857622f8a5c913ea7ebd081b.xhtml failed

Sarikapila

Ny sarikapila (disk image) dia fichier namboarina ho dika mitovy an’ny kapila iray, izany hoe ohatra ny hoe nalaina sary ilay kapila. Ny sarikapila izany dia misy ny zavatra rehetra ao anatin’ilay kapila nadika.

ireo karazana format-na sarikapila

Sarikapila: kapila manjelatra

  • iso
  • bin/cue
  • nrg

Sarikapila hafa:

  • img, dmg (macos, macosx)

Amin'ny Windows

Ireo rindrankajy fikikisana dia saika afaka anamboarana azy daholo. Atao ohatra ny fikikisana fanao ireny ihany, na handika kapila na hanao kompil, saingy misy fiovana kely fotsiny: amin’ny nero ohatra atao “Image recorder” no graveur safidiana.

Misy anefa ireo rindrankajy fikikisana no tsy afaka andikana kapila, noho izany dia ireto misy kirakira (windows) afaka andikana kapila ho anaty sarikapila:

Fampiasana azy:

  • Tokony ho misy fitaovana afaka hanaovana izany miaraka amin’ny rindrankajy fikikisana. Ho an’i Nero ohatra dia misy ny Nero Image Drive
  • Ny rindrankajy maimaimpoana Daemon Tools (http://www.daemon-tools.cc) dia manome lecteur dvd virtuel hatramin’ny 4 isa, izay ahafahana mamaky sarikapila iray avy.
  • Alcohol 52% : Jereo eto

Vakiana fotsiny ny fichiers sy dossiers rehetra anaty sarikapila, ohatra ny amin’ny kapila manjelatra ihany. Misy kirakira vitsivitsy ireto anefa ahafahana manampy sy manala fichier ao anatiny: WinIso, UltraIso, Magic Iso.

Amin'ny MacOS

Ho an’ny milina mac dia fitaovana fanaovana archive ny sarikapila. Ny ankabeazan’ny rindrankajy mac ohatra dia amin’ny endrika dmg no izarana azy. Ny kirakira disk copy no fanamboarana azy, efa miaraka amin’ilay OS. Mba hahafahana mampiasa azy dia sokafana fotsiny ilay fichier (klik in-2), dia misy volume vaovao mipoitra eo amin’ny Finder.

Amin'ny Linux

Ny baiko dd (duplicate disk) no ahafahana manamboatra ImageCD avy amina kapila iray. Toy izao ny baiko ampiasaina, ohatra hoe atao anatin’ny rakitra foo.iso ilay sarikapila:

dd if=/dev/cdrom of=foo.iso

Raha ohatra indray ka te-hanao kompil, dia adika anaty repertoire iray ny repertoire sy rakitra rehetra hampidirina anaty ImageCD, ohatra izany hoe /tmp/HataoIso. Ny baiko mkisofs (make iso filesystem) no anamboarana ny ImageCD avy eo:

mkisofs -o foo.iso /tmp/HataoIso

Marihina fa efa misy fitaovana grafika ahafahana manao an’ireo koa, toy ny K3B.

Mba hahafahana mampiasa azy dia ilaina atao mount anaty repertoire iray izy. Ny baiko mount no ampiasaina amin’izany:

mkdir /mnt/cdrhum
mount -t iso9660 sarikapila.iso /mnt/cdrhum -o loop

Mikiky azy ho anaty cd indray

Azo atao ny mikiky ny sarikapila ho ao anaty cd indray. Jereo ny rindrankajy fikikisanao ho an’izay.

  • Resaka voambolana kely

Soso-kevitra voambolana, mila soso-kevitra hafa izay mahita:

  • sarikapila: mba hanavahana azy amin’ny “sarin-kapila”, ary teny tokana satria milaza zavatra iray ihany.
  • fanantonana (ftt: hantona): fametrahana zavatra iray eo ambony sampan-kazo.
 

sarikapila.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43