Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/2/2ba222b24fbcf6ef5476274741fbe19f.xhtml failed

Fakana sary ny fihita

Ny Screenshot na capture d’ecran dia fangalana sary izay miseho eo amin’ny ecran. Ilaina izy matetika rehefa hanao demo-na rindrankajy, design bureau, na nisy olana nitranga. Ny fanaovana azy:

Sary indray mipika: ScreenShot

- Windows
Manindry an’ilay touche Print Screen eo amin’ny klavie dia voadika anaty Presse-papiers ilay sary. Avy eo apetaka amina rindrankajy afaka mandray sary, ohatra hoe amin’ny Paint, Gimp, Word, PowerPoint, sns amin’ny alalan’ny Edition>Coller.
Print Scr: mandika ny ecran iray manontolo
Alt+Print Scr: mandika ny sarin’ny fenetre active ihany

- Linux
Ilaina misy XWindow vao afaka manao screenshot. Amin’ny Xwindow dia misy ny kirakira xwd ahafahana manao izany. Ohatra raha haka sary ny ecran manontolo:

xwd -root -out root.xwd

Mamoaka sary *.xwd io izay azo kirakiraina amin’ny Gimp. Jereo man xwd

Ankoatra izay dia misy ny ksnapshot tonga dia miaraka amin’ny KDE, ary ny Gnome (2.10 no ho mihoatra) kosa dia efa misy menu natao ho amin’izay ao amin’ny Actions (izay miantso ny kirakira gnome-panel-screenshot).

- MacOSX
Command + Shift + 3: maka sary ny ecran manontolo
Command + Shift + 4: maka sary faritra iray eo amin’ny ecran izay safidiana amin’ny totozy
Command + Shift + 4, avy eo Espace: maka sary izay fenetre voa-clic manaraka eo
Ataony sary *.tiff (cheetah), *.pdf (jaguar, panther), na *.png (tiger) eo amin’ny birao ny sary azony. Misy ny rindrankajy maimaimpoana Goldberg :mac: :free: moa afaka manova ny *pdf ho lasa format-na sary mahazatra.

Maro koa ireo rindrankajy fikirakirana sary no afaka anaovana screenshot, toy ny photoshop, gimp, imagemagick, ifranview, sns

Ireo rindrankajy maivana fanaovana screenshot

- MWSnap :free: :win:

Sarimihetsika: Screen Recording

Azo atao koa ny maka sarimihetsika izay zavatra mandeha eo amin’ny ecran. Ireto misy rindrankajy mandeha amin’ny Windows sy Linux (maimaimpoana daholo):

————————-

 

screenshot.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43