Hahazoana misimisy kokoa dia manaova man sed, fa ireto dia ohatra vitsivitsy fotsiny fampiasana azy matetika
Io no tena fampiasana azy matetika indrindra. Ohatra hoe manana rakitra atao hoe hira.txt isika.
$ cat hira.txt Lanitra mangamanga o, Saronan'itony Rahona
Hovaintsika ny lokon’ny lanitra: ny “manga” hosoloina “mena”
$ sed "s/manga/mena/g" hira.txt Lanitra menamena o, Saronan'itony Rahona
Raha jerena ilay baiko sed “s/manga/mena/g” hira.txt, dia sed aloha no baiko nantsoina. Ny s dia milaza ho mpanasaraka izay soratra manaraka azy mivantana, dia ny / izy eto (azo ovaina io raha ilaina). Ny “manga” no hosoloina, ny “mena” no hasolo azy. Farany ny g no miteny izay hataon’i sed: ovaina daholo izay hita rehetra. Ny hira.txt moa no rakitra hokirakiraina.
Azo atao regexp ireo teny hosoloina sy hasolo. Jereo ny momba ny Regular Expression. Eto ohatra hampifamadika teny anankiroa isika:
$ sed "s/\(Lanitra\) \(mangamanga\)/\2 ny \1/g" hira.txt mangamanga ny Lanitra o, Saronan'itony Rahona
- Ny baiko sed dia fampiasa ho baiko sivana anaty pipeline.
- Azo atao ny manao script sed anaty fichier iray, ka manao sed -f script.sed rehefa hampiasa azy.
Iangaviana izay mahay mba hanampy eto.
Afaka mampiasa sed koa amin’ny windows, na amin’ny alalan’ny cygwin, na tonga dia mametraka fotsiny an’ity: http://gnuwin32.sourceforge.net/packages/sed.htm. Kendreo fotsiny ho ao anatin’ny variahle PATH ny lalana mankamin’ny executable sed.