Ny shellscript dia fomba fi-programme-na ny systeme Unix na Linux, izay afaka mampiasa ireo karazana baiko rehetra mandeha aminy, na ireo karazana rindrankajy mipetraka aminy, ary mampiasa ny tsipelin-tenin’ireo Mpandika baiko.
Inona ohatra no ilana shellscript
Maro no ilana shellscript, ny imagination-nao mihodina kely fotsiny dia hitanao izay hatao aminy. Ireto misy ohatra vitsivitsy:
Ohatrohatra ny ahoana no fanaovana shellscript
Ny programa shellscript dia soratana anaty rakitra lahatsoratra tsotra, ary miantomboka amin’ny baiko milaza ny mpandika baiko hamaky azy, ohatra:
#!/bin/bash
Aorian’io fanondroana ny interpreter io no mandeha ny filaharan’ny baiko. Koa satria ilaina halefa (execute) ilay programa, dia mila ovaina ny alalana mba ho executable izy. Ny baiko chmod no ampiasaina amin’izany, chmod +x moa no tsotra indrindra. Rehefa handefa azy kosa dia soratana fotsiny ny lalana mankany aminy. Raha ao anatin’ny variable PATH moa ny repertoire misy azy dia ny anarany fotsiny no soratana.
# manova ny alalana ho executable $ chmod +x rakitra_script # mandefa an'ilay script $ ./rakitra_script # tsiahivina fa ny teboka . dia ilazana ny repertoire misy anao (current)