Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/a/aa5cf2e1b3d6dea9bcc425cdddf71399.xhtml failed

ShellScript

Ny shellscript dia fomba fi-programme-na ny systeme Unix na Linux, izay afaka mampiasa ireo karazana baiko rehetra mandeha aminy, na ireo karazana rindrankajy mipetraka aminy, ary mampiasa ny tsipelin-tenin’ireo Mpandika baiko.

Inona ohatra no ilana shellscript

Maro no ilana shellscript, ny imagination-nao mihodina kely fotsiny dia hitanao izay hatao aminy. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

  • Misy kitikitika tiana hataon’i madama nefa tsy mety mianatra shell izy, dia soratana anaty programa shellscript iray mba ho baiko tokana dia ampy
  • Tiana hangonina anaty base de données ny mombamomba an’ireo hira mp3 rehetra ananana, izay miisa aman-jatony
  • Misy filaharana baiko fampiasa matetika, nefa mandreraka mamerimberina azy
  • Hikirakirana sy hampiasana an’ireo rindankajy rehetra afaka mandeha amin’ny andalam-baiko
  • Misy baiko tiana hisy kanefa tsy misy, dia ampisiana
  • Hamindrana pejy wiki ;-)
  • sns ...

Ohatrohatra ny ahoana no fanaovana shellscript

Ny programa shellscript dia soratana anaty rakitra lahatsoratra tsotra, ary miantomboka amin’ny baiko milaza ny mpandika baiko hamaky azy, ohatra:

#!/bin/bash

Aorian’io fanondroana ny interpreter io no mandeha ny filaharan’ny baiko. Koa satria ilaina halefa (execute) ilay programa, dia mila ovaina ny alalana mba ho executable izy. Ny baiko chmod no ampiasaina amin’izany, chmod +x moa no tsotra indrindra. Rehefa handefa azy kosa dia soratana fotsiny ny lalana mankany aminy. Raha ao anatin’ny variable PATH moa ny repertoire misy azy dia ny anarany fotsiny no soratana.

# manova ny alalana ho executable
$ chmod +x rakitra_script
 
# mandefa an'ilay script
$ ./rakitra_script   # tsiahivina fa ny teboka . dia ilazana ny repertoire misy anao (current)

Jereo koa

  • man chmod
  • mety ho tsara raha asiana tuto kely bashscript, mampiseho fampiasana variable, conditions, sy boucles ...
 

shellscript.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43