Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/d/d5c97c7f21c288a685d3a28a7d5a2771.xhtml failed

Informatika manompo ny siansa sy teknika

in vivo, in vitro, ... mitohy ny fivoarana: in silico izao no lamaody ;-). Mitombo hatrany ny fandraisana anjaran’ny informatika amin’ny fikarohana ara-tsiansa. Fotoanany izao ho antsika malagasy, amin’izao fidinan’ny vidina solosaina sy fisiana rindrankajy maimaimpoana izao. Ity lahatsoratra ity ary dia entina hampisehoana fitaovana mety ho ilaina eo amin’ny sehatra siantifika sy fikarohana.

Fampidirana

Betsaka ny malagasy siantifika, ary betsaka no avanana sy manan-talenta. Betsaka koa ireo sampam-pikarohana malagasy no mamokatra. Samy resy lahatra daholo isika fa ilaina ny informatika amin’ny taranja siantifika, ary ireo rehetra voalaza teo aloha dia mety hitombo fahombiazana daholo raha ampiany kely. Marihina fa tsy hanazava momba an’ireo taranja ireo ity lahatsoratra ity, fa manome ireo karazana rindrankajy fotsiny.

Karazana rindrankajy siantifika

Zaraintsika sokajy vitsivitsy ireo taranjan’ny siansa sy teknika handaminana ny fampisehoana ireo karazana rindrankajy. Mety misy mifampiditra anefa ireo, ka jereo ihany izay taranja manakaiky izay tadiavinao. Raha misy mahafantatra rindrankajy hafa dia iangaviana mba apetraho ilay izy. Indrindra raha maimaimpoana.

Kajy

Samy nandrevy an’ireny milina fikajiana programmable ireny angamba isika tany amin’ny SAFF sy Lycee, na oniversite aza. Ireto rindrankajy manaraka ireto dia ahavitana ny asan’izy ireny, ary matanjaka kokoa aza. Rindrankajy fanaovana matematika sy ?calcul numerique?:

  • Matlab :win: :tux: :mac: - http://www.mathworks.com/: io no reference amin’izy rehetra. Matanjaka ny langage ampiasain’ny matlab, ary ampian’ireo karazana toolboxes dia mbola manome fitaovana tsara ahafahana manao ireo asa tena ilaina amin’ny kajy rehetra izy. Miaraka amin’ny matlab dia misy ny Simulink izay fitaovana fanaovana modelisation sy simulation. Manatombo amin’ny elektrisite sy elektronika izy, nefa azo ampiasaina amin’ny zavatra hafa koa.
  • Mathematica :win: - http://www.wolfram.com/
  • Scilab :free: :win: :tux: - http://www.scilab.org/: Ny Scilab dia rindrankajy maimaimpoana open source, ezahana hahavita ny asan’ny Matlab. Matanjaka ihany izy na tsy mahatoraka tanteraka iry voalohany aza.
  • Mathcad :win: - http://www.mathcad.com/: Eritrereto hoe manao enti-mody na fanadinana matematika ianao.

Manaraka eto ireo rindrankajy fanaovana statistika. Mahavita ny asa statistika rehetra, manomboka amin’ny stat descriptive, test d’hypotheses, hatrany amin’ny analyse des donnees.

Jereo ity tranonkala ity fa misy lisitra na rindrankajy fanaovana maths sy statistika maimaimpoana maro: http://freestatistics.altervista.org/index.php

Teknika

Ireo rindrankajy fanaovana CAD (Computer Assisted Design)


Karazana modelisation / simulation

  • Catia :win: - http://www.3ds.com/products-solutions/plm-solutions/catia/overview/: Fanaovana modelisation 3D avo lenta. Fanamboarana fiaramanidina no tena nampiasana azy hatramin’izay, kanefa noho ny tanjany dia nahita fampiasana tamin’ny sehatra maro izy, amin’ny teknolojia avo lenta.
  • Fluent :win: - http://www.fluent.com/: Fanaovana modelisation / simulation amin’ny mecanique des fluides. Miaraka amina fitaovana fanaovana modelisation-na jeometria antsoina hoe Gambit izy.
  • Femlab :win: - http://www.comsol.com/: Fanaovana modelisation / simulation ny karazana phenomenes rehetra azo soratana amina equations differentielles.


Elektrisite sy Elektronika
raha mahafantatra ianao mamaky dia mba fenoy :-)

Simia

Fanaovana sary molecules:

Fijerena sary 3D

Modelisation moleculaire:

Jeografia

Saritany hita amin’ny satelita:

SIG (Systeme d’Information Geographique): Tao-tsaritany miaraka amina base de donnees momba ireo toerana eo amboniny (lalana, rano, biby sy zavamaniry, tanana, tantara, sns ...)

Siansa ekonomika

Nisy rindrankajy vitsivitsy maimaimpoana natoron’i r4d0 tao amin’ny forum wanadoo, fa toa efa voafafa. :-(

Ankoatra izay dia misy ireo pitsopitsony manodidina:

  • Fitaovana fanaovana programa
  • Fitaovana bureautique
  • Fitaovana serasera toy ny tranonkala

Sokajy rehetra | Sokajy Application

 

siansa.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43