Ny Slax dia distribution linux live namboarina avy tamin’ny distribution Slackware. Ny mampalaza azy dia noho izy haingana dia haingana. Ny mampiavaka azy dia ny firafiny izay “modulaire”. Saika ao anatin’ny module iray daholo ny zavatra ilaina rehetra hanodinana azy, hany ka tsy mitety ny kapila manontolo izy isaky ny handefa rindrankajy.
Live-CD ny Slax, fa afaka apetraka anaty pendrive (lecteur USB) koa ho an’ireo solosaina afaka mi-boot amin’ny usb. Azo apetraka anaty kapila henjana izy raha ilaina, toy ny distribution linux tsotra.
Misy karazany vitsivitsy ny slax, arakaraka izay mety hilana azy.
Slax server : afaka anaovana server tsotsotra, ohatra ny hoe server web, ssh, ftp, msql ...
Slax frodo : tsy misy
GUI fa andalam-baiko fotsiny. Izy no maivana indrindra
Ireto misy fikafika vitsivitsy mety hilaina :
Raha tiana hampiasaina amin’ny fomba permanent, izany hoe tehirizina ny fanovana natao taminy (config, customization, ...) dia misy fomba maromaro no azo atao. Ny mety hahavantana indrindra dia mampiasa ny baiko : configsave /mnt/some_disk/slaxconf.mo , ny some_disk moa eo dia point de montage-n’ny kapila iray afaka anoratana.
Rehefa hametraka rindrankajy, dia adika fotsiny ao anaty rep modules ny rakitra *.mo izay alaina avy any amin’ny vohikalany. Amin’izay izy tonga dia afaka miasa rehefa avy mi-boot. Azo atao koa ny mampiasa ireny modules ireny “en live”, amin’ny alalan’ny baiko uselivemod na ny module manager anaty menus. Amin’izay izany tsy voatery alefa amin’ny boot daholo ny modules rehetra izay manavesatra.
Ny option copy2ram amin’ny boot dia mandika manontolo ny slax ao anaty RAM, ka vao mainka manafaingana ny fampiasana azy. Ilaina ho 512 Mo eo anefa ny RAM vao mahatafiditra azy, 256 Mo ho an’ilay popcorn. Mampa-elaela ny demarrage anefa io.
Ho an’ny milina zokinjokiny izay tsy afaka mi-boot cd na usb, raha misy windows 98 no ho midina, ka afaka alefa DOS, dia misy fitaovana afaka andefasana azy ao amin’ny rep x:\boot\dos , x eo ny volume misy an’ilay slax.
Misy ny fitaovana
MySlax Creator ahafahana manamboatra live-cd na live-usb personnalise avy amin’ny sarikapila iso nalaina avy tamin’ny vohikala slax
Ohatra ny ho sarotra ampiasaina izany izy amin’ilay hoe avy amin’ny slackware, kanefa dia mora dia mora
. Ny fametrahana modules (rindrankajy, drivers, ...) moa dia dika-petaka fotsiny. Souple be ny fampiasana azy, indrindra fa raha anaty USB drive: afaka entina manaraka anao eny rehetra eny ny OS sy ny rindrankajy fampiasa, miaraka amin’ny donnees-nao, tandremo fotsiny ny mpangarom-paosy
Fa ny tena mahafinaritra aminy dia ny faha-haingany rehefa miasa. — lapino 2006/11/27 08:26