Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/6/6b38e420cddf5e6b894eeb9dc707e90c.xhtml failed

Ny atao hoe Solosaina

Ity dia voambolana be mpankahala : Hoe solosaina no handikana ny ordinateur.

Mila hazavaina kely ny sain’ ny olona ary isaky ny misy toerana ahafahako mametraka ny hevitro ny amin’ io dia apetrako foana ny ahy. Ny hoe solosaina dia tsy natao hadika ara-bakiteny hoe solon-tsaina fa kamban-teny mandika ny hoe ordinateur. Matahotra ny olona sasany (aristar ohatra) fa ny fampiasana ny teny hoe solosaina dia midika fa tsy mamely intsony ny sainy ka mila soloina. Ny marina anefa, na atao ara-bakiteny koa aza ny fandikana, dia tsy manolo ny sainao mandrakariva ny ordinateur fa manolo azy amin’ ny raharaha mandreraka fotsiny, izany hoe ny ordinateur manolo ny sainao no mbola andevo, ampanaovina izay tiana atao fa tsy ianao akory no andevoziny ka hoe izy no misolo ny sainao mibaiko ny taova hafa rehetra amin’ ny vatana.

Ohatra: 4357*9862 = ?

Vitan’ ny saina io fa tsotra kokoa raha mba mindrana ‘calculatrice’ ianao hisolo ny sainao vetivety hanao an’ io kajy io.

Izay aloha fa dia miandry ny fanakianana mavaivay avy aminareo ... :)

Nandray anjara

 

solosaina.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43