Ny solosaina finday (ordinateur portable, laptop, notebook) dia solosaina izay azo entina mandehandeha noho ny halehibeny sy ny lanjany. Solosaina sahala amin’ny rehetra ihany izy ireny, misy ny singa rehetra hita amin’ny solosaina (Hardware), fa tafakambana amin’ny vatany iray fotsiny.
Izay maha-finday azy izay dia mibaiko ny teknolojia ampiasaina aminy mba sady tsy hibahan-toerana no hitsitsy angovo
Ahitana karazany vitsivitsy izy:
Desktop replacements: ireo solosaina finday mbola lehibe, 17” na mihoatra ny ecran-ny.
Solosaina finday tsotra: matetika 14” hatr@ 15” ny ecran-ny
Ultraportable: ireo solosaina finday madinika indrindra, ahitana 10” na 12” ny ecran-ny.
TabletPC: mitovitovy amin’ny ultraportable, fa misy
ecran tactile sy penina kely azo anoratana.
OS manokana no mandeha aminy. Ohatra ny mandray naoty ambony taratasy mihitsy ny mampiasa tabletPC.
Arakaraka ny maha lehibe azy no mahamora ny ahitana config matanjatanjaka, fa mampandany angovo azy kokoa. Arakaraka ny zavatra ilana azy sy ny teti-bola ihany moa rehefa misafidy azy.
ny halehibe-ny : arakaraka izay ilaina io. Fa arakaraka ny mampanify azy koa no mahatsara azy
ny endriny : arakaraka ny fitiavana manokana, na ny standing
ny marika : aleo maka an’ireo mitondra marika malaza, fa sady ahazoana antoka kokoa ny hatsarany izay no mampisy hajany. Sarotra anaovana bricolage kokoa manko ny solosaina finday
ny resolution-n’ny ecran: mahabe ny vidiny koa io. 1024*768 (4/3) na 1280*800 (16/9) no
resolution matetika fahita, fa misy koa no ambony noho izay.
ny processeur : raha hanaovana asa mavesatra izy (multimedia, kajy siantifika, sns ...) dia ilaina ny matanjaka; raha kirakira bureautique sy internet fotsiny indray, dia aleo iretsy ambony no omena lohalaharana
ny lecteur optique: mamaky CD, DVD, mikiky CD, DVD ve?
-
ny rindrankajy miaraka aminy.
Inona no dikan’ilay soratra hoe M amin’ny processeur amin’ny finday indraindray ? –FRAZ