Ny SPAM dia ireo Imailaka tonga ao aminao nefa tsy nirianao, ao ny resaka donkambarotra ,ary misy aza moa dia mandefa Virus mihintsy amin’ireny.
;Jereo sao dia anatin’ireny Annuaires Web ireny ny mailaka anao :Tadiavo anatin’ny google ohatra sao dia hitanao ao, na fitadiavana hafa
;Raha misy manontany ny adiresy mailaka anao dia mieritrereta tsara aloha vao manome : Aleo azany mailaka tsy ofisialy caramail, yahoo, hotmail ohatra no ampiasana.
;Aleo mampiasa fitaoavana toy ny Outlook express na Eudora,... :Aleo mampiasa ireo fitoavana ireny toa izay tonga dia jerena amin’ny tranonkala ny mailaka, satria mora hoan’ny mpitsikilo ny maka ny momba anao avy aminy.
;Raha azo hatao dia ireo mpanjifa Internet (FAI) izay miaro amin’ny SPAM no safidiano :
;Ampiasao ny fantina (Filtre) amin’ny fitaovana (outlook ohatra) : Ka izay email tsy ilaina dia alefaso any amin’ny fanariampako
;Aza sokafana ary indrindra aza valiana mitsy ny mailaka tsy fantampiaviana :Raha sendra mahazo mailaka tsy fantampiviana ianao na dia manirikiry anao aza ny ao anatiny dia aza valiana fa izay no andrasan-dry zareo.
;Mailaka hafa ny ampiasao rehefa miditra Forum : Fa amin’ireny forum ireny mihintsy no fangalan’ny spammer adiresy
;Farany, hataovy sarotsarotra soratana ny adiresy mailaka anao :Raha manana anarana gasy ohatra ianao dia ilay anarana gasy apetraka sady ny anarantsika Malagasy lavalava dia manahirana andry zareo ny manoratra azy.
Izay ary fa mino aho fa manomboka izao dia hihena ny SPAM tonga ao aminao. Raha ohatra moa efa betsaka SPAM ny email anao dia hovay, satria ny akamaroan’ny mpanjifa dia mety ahafahana manova mailaka.
–RTN