spyware [wiki ifg]

Spyware

Spy (mpitsikilo), -ware (tovana hilazana programa)

Ny spyware dia programa mitsikilo izay donnees misy ao anatin’ny solosaina, ka mandefa izany any ho any anatin’ny tranonkala any. Indraindray izy mety miaraka amin’ny ad-ware. Programa fositra ireny satria:

  • manelingelina sady mitroka ny ressources amin’ny solosaina fotsiny
  • mandefa zavatra tokony ho tsiambaratelonao any ho any, ka mety hahafahana mangalatra na misoloky avy eo
  • mety hiaraka amin’ny Virus

Torohevitra

  • Tsy dia tsara ny mampitadidy an’ny navigateur ny login sy passwd, ary indrindra ireo karazana nomerao toy ny karatra @banky, n° karapanondro na pasipaoro, n° securite sociale.
  • Tsara fafana matetika ny cookies, sy ireo formulaires nampitadidiana ny navigateur
  • Tsy tsara ny mijery vala faroratra vetaveta.
  • Tongava saina rehefa tratrany: ohatra nisy nanova ny mot de passe amin’ny mail :-(

Jereo koa

Nandray anjara

  • Lapino
 

spyware.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43